Argemone mexicana
Fiseho

Ny Argemone mexicana dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Papaveraceae. Izy io dia ahitra maniry isan-taona avy any Meksika afovoany sy Hôndorasy. Misy tsilo raviny sy ny voniny mavo. Atao hoe fantsimboay na betakoa ny anarany amin' ny teny malagasy. Nampidirina tany amin' ny firenena mafana trôpikaly maro izy io ka lasa manirry tsara any. Miparitaka indrindra miaraka amin' ny fambolena sy tany nidiovina io zavamaniry io.

Misy poizina ilay zavamaniry, indrindra ny voany madinika. Ny menaka nalaina tamin’ ny voany dia ampiasaina mba hiarovana ny hazo amin’ ny famelezan’ ny termite any Nizerià, fa any India sy any Meksika ary any Antilia, dia ampiasaina amin’ ny fanamboarana savony sy andrehetana jiro.