Hankany amin'ny vontoatiny

Areti-nify

Avy amin'i Wikipedia
Lehilahy marary nify

Ny areti-nify dia fanaintainana eo amin' ny nify na ny rafitra manohana azy, vokatry ny aretina mahazo mivantana ny nify na ny fanaintainan' ny aretina tsy momba ny nify. Rehefa tena mafy izany dia mety hisy fiantraikany amin' ny torimaso, amin' ny fihinanana, ary amin' ny hetsika hafa fanao andavanandro izany. Ny antony mahazatra dia ny famaivain' ny ao anatin' ny nify, izay matetika mifandray amin' ny oli-nify, ny dona nahazo ny nify, na antony hafa toy ny nify tsy mahazaka, ny famaivain' ny manodidina manohana ny nify, ny vay anaty nify, ny aretin' ny hihy, ny aretin-tenda sns.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]