Ardea

Ny Ardea dia vondron-karazam-borona ao amin' ny fianakaviana Ardeidae. Hita manerana ny ankamaroan' ny faritra eto ambonin' ny tany ny Ardea. Mirefy 80 ka hatramin’ ny 100 sm na mihoatra ireo vorona ireo amin' ny ankapobeny. Ireo vorona ireo dia fahita eny amin' ny heniheny sy honahona ka ao izy ireo no mihinana trondro, sahona ary zavamananaina anaty rano hafa. Ny ankamaroan' ny karazana Ardea dia manao akany lehibe vita amin' ny rantsan-kazo eny amin' ny hazo. Ny karazana any amin' ny tapany avaratry ny Tany dia mifindra monina mianatsimo rehefa ririnina. Vorona mahery izy ireo ary lava vozona sy lava tongotra, izay miandry tsy an-kihetsika ny hazany eo amin' ny rano marivo, ary avy eo dia misambotra azy haingana amin’ ny vavany. Manidina miadana izy ireo, ary mihemotra ny hatony; izany no mampiavaka azy ireo amin' ny voron-drano hafa izay manalava ny vozony mandritra ny sidina.
Karazana
[hanova | hanova ny fango]Inty ny lisitry ny karazana araka ny fanasokajiana filamatra (versiôna 14.2, 2024) an' ny International Ornithologists' Union. Mizara ho karazany 16 izy ireo (lamina filôjenetika):
- Ardea pacifica Latham, 1801;
- Ardea alba Linnaeus, 1758;
- Ardea brachyrhyncha (Brehm, AE, 1854);
- Ardea intermedia Wagler, 1829;
- Ardea plumifera (Gould, 1848);
- Ardea ibis (Gould, 1848);
- Ardea coromanda (Gould, 1848);
- Ardea cinerea Linnaeus, 1758;
- Ardea herodias Linnaeus, 1766;
- Ardea cocoi Linnaeus, 1766;
- Ardea purpurea Linnaeus, 1766;
- Ardea humbloti Milne-Edwards & Grandidier, 1885;
- Ardea insignis Hume, 1878;
- Ardea sumatrana Raffles, 1822;
- Ardea melanocephala Children & Vigors, 1826;
- Ardea goliath Cretzschmar, 1829.
Karazana efa lany tamingana
[hanova | hanova ny fango]- † Ardea bennuides
- † Ardea polkensis
- † Ardea formosa
- † Ardea howardae
- † Ardea similis