Aller au contenu

Apocynaceae

Avy amin'i Wikipedia
Anisan' ny karazana ao amin' ny fianakaviana Apocynaceae ny vonenina na tonga na trongatsy (Catharanthus roseus)

Ny Apocynaceae dia fianakavian-javamaniry eodikôtiledôna, ao amin' ny filaharana Gentianales, izay ahitana karazana 5 000 eo ho eo sy vondron-karazana 350, mivondrona ho zana-pianakaviana dimy. Izy ireo, amin' ny ankapobeny, dia vahy na zava-maniry ahitra, ary misy hazo na kirihitra vitsivitsy, misy rononon-kazo (lateksa), misy raviny maharitra. Saika hita amin' ny faritra rehetra eto ambonon' ny tany ity fianakaviana ity, nefa maniry any amin' ny faritra mafana ny ankamaroan' ny karazana ao aminy. Misy karazana maniry any amin' ny faritra antonony.

Ireto ny vondron-karazana lehibe: Asclepias (misy karazana 230), Tabernaemontana (misy karazana 230), Cynanchum (misy karazana 200), Ceropegia (misy karazana 150), Hoya (misy karazana 150), Matelea (misy karazana 130), Rauvolfia (misy karazana 110), Gonolobus (misy karazana 100), Secamone (misy karazana 100), Mandevilla (misy karazana 100). Ny vondrona Cerbera (izay misy karazana 6) no ahitana ny tangena (Cerbera manghas na Tanghinia venenifera). Ny vondrona Catharanthus (misy karazana 8, ny fito tsy hita afa-tsy eto Madagasikara) no ahitana ny vonenina na tonga (Catharanthus roseus).

Anisan' ny fianakaviana Apocynaceae ny tangena (Cerbera manghas)

Matetika ny zavamaniry ao amin' ity fianakaviana ity dia misy poizina, noho ny fisian' ny glikôsida kardiôtônika sy ny alkalôida isan-karazany aoaminy, indrindra amin' ny voany sy ny rononony. Amin' ny Apocynaceae rehetra dia karazana maromaro no ampiasaina mba hahazoana fingotra. Mamokatra zavamaniry fanao haingo sy zavamaniry fanao fanafody ity fianakaviana ity amin' izao fotoana izao. Aampiasain' ny vahoaka Sana hanapoizina ny zana-tsipìkany ny lateksa avy amin' ny karazana sasany ao amin' ny vondrona Pachypodium.