Hankany amin'ny vontoatiny

Apiaceae

Avy amin'i Wikipedia
Ravina sy vondrom-bonin' ny Apium; Daucus mainiry, vondrom-bonin' ny Foeniculum, vondrom-bonin' ny Eryngium, vodin' ny Petroselinum.

Ny Apiaceae, izay fantatra amin' ny anarana hoe Umbelliferae teo aloha, dia fianakavian-javamaniry mamony roa ravin-tsimoka ao amin' ny filaharana Apiales. Manana karazana efa ho 3 500 mitsinjara amin' ny antokon-javamaniry miisa 463 ity fianakaviana ity, izay hita amin' ny faritra sy toerana rehetra, indrindra any amin' ny faritra manana toetany antonony eran' izao tontolo izao. Anisan' ny fianakaviana manan-danja indrindra amin' ny zavamaniry mamony (Angiospermae), aorian' ny Orchidaceae sy ny Asteraceae ary ny Fabaceae, izy raha jerena ny isan' ny karazana. Maro amin' ireo karazana ireo ny legioma toy ny karaoty (Daucus carota subsp. sativus), seleria (Apium graveolens), anizety (Foeniculum vulgare), na manome tsiro mahafinaritra toy ny persily (Petroselinum crispum), ny kotomila na kotimiliha (Coriandrum sativum) ary ny komana (Cuminum cyminum) ohatra. Ao koa anefa ny misy poizina mahafaty.

Lisitry ny zana-pianakaviana sy ny foko ary ny zana-poko

[hanova | hanova ny fango]

Araka ny Germplasm Resources Information Network (GRIN) (5 Marsa 2021) dia mizara ho zana-pianakaviana telo sy foko 25 ary zana-poko 5 ny fianakaviana Apiaceae:

  • zana-pianakaviana Apioideae
    • foko Aciphylleae
    • foko Annesorhizeae
    • foko Apieae
    • foko Bupleureae
    • foko Careae
    • foko Chamaesieae
    • foko Choritaenieae
    • foko Coriandreae
    • foko Echinophoreae
    • foko Erigenieae
    • foko Heteromorpheae
    • foko Komarovieae
    • foko Lichtensteinieae
    • foko Marlothielleae
    • foko Oenantheae
    • foko Phlyctidocarpeae
    • foko Pimpinelleae
    • foko Pleurospermeae
    • foko Pyramidoptereae
    • foko Saniculeae
    • foko Scandiceae
      • zana-poko Daucinae
      • zana-poko Ferulinae
      • zana-poko Scandicinae
      • zana-poko Torilidinae
    • foko Selineae
    • foko Smyrnieae
    • foko Steganotaenieae
    • foko Tordylieae
      • zana-poko Tordyliinae
  • zana-pianakaviana Azorelloideae
  • zana-pianakaviana Mackinlayoideae

Nampiditra ny zana-pianakaviana Hydrocotyloideae ny Catalogue of Life (5 Mars 2021) dia nanampy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]