Aphloia theiformis
Fiseho
Ny Aphloia theiformis dia hazobotry na hazo fahita any amin' ny alan' ny nosy Maskarena sy Madagasikara ary Afrika Atsinanana, izay hany karazana ao amin' ny vondron-karazana Aphloia sy ny fianakaviana Aphloiaceae, ao amin' ny filaharana Crossosomatales.

Atao hoe voafotsy izy io amin' ny teny malagasy. Indreto koa ny anarany hafa: fandramanana, hazondrano, kirandrambahivary, kirandrambehivavy, kirandrambiavy, maramanana ary miaramanana.
Zana-karazana
[hanova | hanova ny fango]Manana zana-karazana ihany koa ity zavaaniry ity, dia ireto izany:
- Aphloia theiformis deltoides
- Aphloia theiformis madagascariensis
- Aphloia theiformis mauritiana
- Aphloia theiformis theiformis
- Aphloia theiformis minima
- Aphloia theiformis seychellensis