Apôteôsisy
Ny apôteôsisy na apôteôzy dia teny avy amin' ny fiteny grika, izay nivoatra be ny heviny nandritra ny tantara, miaraka amin' ny heviny ara-pivavahana tamin' ny Andro Taloha, ary mbola ampiasaina amin' izao fotoana izao amin' ny fomba fanoharana. Ao amin' ny fedrà grika, ny apôteôzin' ny maherifo iray dia midika ho fidirany ho ao amin' ireo andriamanitra ao Ôlimpôsy, ohatra, i Heraklesy izay andriamanitra tapany. Tany Rôma, tao amin' ny andron' ny Empira, ny apôteôsisy dia fombafomba ôfisialy natao hanadratana ho andriamanitra ny emperora (alohan' ny fahafatesany na aorian' ny fahafatesany), na koa ny olona hafa ao amin' ny fianakavian' ny emperora na ny manodidina azy. Ao amin' ny fivavahana katôlika, ny apôteôzy dia manondro ny fiakarana sy ny fankalazana ny olo-masina aorian' ny fahafatesany. Ny hevitra mahazatra ankehitriny dia "fidirana amin' ny voninahitra".