Apôkalipsy grikan' i Esdrasa
Ny Apôkalipsy grikan' i Esdrasa, izay fantatra ihany koa amin' ny hoe Teny sy Fanambaràn' i Edrasa, dia asasoratra pseodepigrafa nosoratana tamin' ny anaran' i Ezra na Esdrasa izay mpanoratra ao amin' ny Baiboly. Tsy nisy afa-tsy kôpia grika roa ihany izy io ary nomena daty teo anelanelan' ny taonjato faha-2 sy ny taonjato faha-9.
Araka ny voalazan' i R. H. Charles dia naka singa tao amin' ny Boky fahefatr' i Esdrasa (2Esdrasa) ny Apokalipsy grikan' i Ezra. Ny dikan-tenin' ny Apôkalipsy grikn' i Ezra mbola misy dia heverina fa nisy fanamboarana, raha tsy nosoratan' ny mpanonta kristiana tanteraka, izay nanonona an' i Paoly, i Joany apôstoly, i Herôda, sns.
Toy ny apôkaliptika maro, ny Apôkalipsin' i Ezra dia mampiseho ny mpanoratra azy ho nahazo fahitana momba ny Lanitra sy ny Gehena mirehitra, izay ahitana ny sazy mihatra amin' ny antsipiriany amin' ny mpanota. Nolazaina voalohany fa notsidihin' i Ezra ny Lanitra, izay nametrahan' i Ezra fanontaniana momba ny teôdikea - nanontany an' Andriamanitra izy hoe nahoana ny olombelona no nomena fahafahana hanota. Na dia milaza aza Andriamanitra fa ny olombelona no tokony homena tsiny raha manota, noho ny fananany safidy malalaka, ny lahatsoratra dia nampiteny an' i Ezra fa amin' ny farany dia tsy maintsy ho Andriamanitra no tompon' andraikitra amin' ny fahalavoan' ny olombelona, indrindra fa Andriamanitra no namorona an' i Eva sy ny Menarana ary ny hazo voarara. Nanohy ny fiampangany an' Andriamanitra ho nanana hevitra maharikoriko momba ny rariny i Ezra, nefa tsy novalian' Andriamanitra izany, na dia nanelanelana ho an' ny mpanota aza i Ezra. Rehefa avy nitalaho sy niady hevitra tamin' Andriamanitra i Ezra, dia naseho taminy amin' ny alalan' ny fahitana ny fampijaliana tao amin' ny Gehena mirehitra, sy ny Antikristy. Farany, rehefa nanohitra i Ezra fa tsy misy olona tsy manana ota ary noho izany dia tsy hisy ho afa-mandositra ny fampijaliana toy izany, dia nanambara Andriamanitra fa niaritra ny hazo fijaliana Izy mba hamonjy ny olombelona, hamela ny helok' izay mino, ary handresy ny fahafatesana.