Alahamady (antokon-kintana)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Antokon-kintan'ny Ondrilahy)
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Ny antokon-kintan'ny Alahamady

Ny Alahamady na Ondrilahy dia antokon-kintan'ny zodiaka izay andalovan'ny masoandro amin'ny 19 Avrily hatramin'ny 14 Mey. Eo anelanelan'ny antokon-kintan'ny Alohotsy eo andrefany sy ny an'ny Adaoro eo atsinanana izy. Ny Alahamady, izay atao hoe Aries amin'ny teny latina, dia iray amin'ireo antokon-kintana miisa valo amby efapolo hitan'i Ptolemeo. Amin'ny teny frantsay dia atao hoe Belier io antokon-kintana io.

Ny teny hoe Alahamady dia avy amin'ny anaran'ny antokon-kintana amin'ny teny arabo hoe االحمل / Al-Hamal izay midika hoe "ondrilahy". Amin'ny faritra maro eto Madagasikara dia atao hoe Alahamaly io teny io. Amin'ny teny grika izy dia ata hoe Κριός / Krios. Amin'ny fiteny soahily dia atao hoe Hamal na Kondoo io antokon-kintana io. Amin'ny teny maley kosa dia atao hoe Hamal na Biri-biriihany koa izy.

Rehefa nampiasaina amin'ny fanandroana ny antokon-kintana dia nanome ny iray amin'ireo evan'ny zodiaka mikisaka ho anarany io anaran'antokon-kintana io nefa amin'izao fotoana izao dia efa tsy mifanandrify amin'ny fotoana fandalovan'ny masoandro amin'ny fari-danitry ny antokon-kintana Alahamady ny fotoana andalovan'ny masoandro ao amin'ny evan'ny Alahamady izay manomboka eo amn'ny 21 Marsa ka miafara amin'ny 20 Avrily.

Ny antokon-kintan'ny Alahamady


Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]