Antilia Neerlandey

I Antilia Neerlandey dia fizaràn-tany nederlandey ampitan-dranomasina, izay foronina nosy enina, avy eo dimy, ao amin' ny vondronosy Antilia Kely any Karaiba. Amin' ny teny neerlandey izy dia atao hoe Nederlandse Antillen, fa amin' ny teny papiamentô kosa dia Antias Hulandes. Nanomboka tamin' ny taona 1948 ka hatramin' ny 1954 dia faritany mizaka tena izy ireo ary zanatany tamin' ny fifandimbiasan' ny fanjakana mpanjanaka hôlandey teo aloha. Araka ny Lalàna momba ny Fanjakan' i Nederlandy tamin' ny taona 1954, i Antilia Neerlandey dia lasa firenena hafa ao anatin' ny Fanjakan' i Nederlandy, miaraka amin' i Nederlandy (Eorôpeana) sy i Sorinama (hatramin' ny taona 1975).

I Aruba dia nandao an' i Antilia Neerlandey tamin' ny faran' ny taona 1985 (ho firenena misaraka ao anatin' ilay fanjakana). Tamin' ny 10 Oktobra 2010, noravana ny fikambanana ara-pôlitikan' i Antilia Neerlandey: i Curaçao sy i Sint Maarten ihany koa dia nahazo fizakan-tena feno tao amin' ilay fanjakana, ny faritany sisa dia lasa kaominina manokan' i Nederlandy noho ny fangatahan' izy ireo manokana.
Jeôgrafia
[hanova | hanova ny fango]

I Antilia Neerlandey tany am-boalohany dia nahitana nosy karibiana enina misy mponina sy nosy kely tsy misy mponina izay manana velarana 980 km². Ny nosy sisa tavela taorian' ny nialan' i Aruba tamin' ny taona 1986 dia manana velarana 800 km². Raha ara-jeôgrafia dia mizara ho vondrona roa izy ireo mihoatra ny 800 km miala:
- ny Nosy ABC, nomena anarana araka ny litera voalohany, izay an'ny Nosy Leeward:
- ny Nosy SSS, nomena anarana araka ny litera voalohany, izay an'ny Nosy Leeward:
- Saba (miaraka amin'ny Nosy Maitso / Green island)
- Sint Eustatius
- Sint Maarten