Hankany amin'ny vontoatiny

Anthurium

Avy amin'i Wikipedia
Anthurium andraeanum

Ny Anthurium dia vondron-karazana zavamaniry ao amin' ny fianakaviana Araceae, ahitana karazany 600 hatramin' ny 800, ary mety ho karazana 1 000. Io no iray amin' ny vondron-karazana lehibe indrindra ao amin' io fianakaviana io. Karazana vaovao marp no voafaritra isan-taona. Fahita any amin' ny faritra neôtrôpikaly ny karazana ao aminy: maniry any amin' ny ala trôpikaly mando any Amerika Afovoany sy Atsimo ny ankamaroany, fa ny sasany kosa dia maniry any amin' ny tontolo somary maina. Hita any Meksika (tapany avaratra) ka hatrany Arzantina izy ireo ary indrindra any Panama, any Kôlômbia, any Brezila, Goiana, Haity ary Ekoadôra. Toa tsy hita any Azia izy ireo na dia hita any amin' ny ala trôpikaly any Azia izay mety nampidirana azy ireo: ohatra, ny Anthurium mena any Srilanka. Karazany maromaro no ampitomùboina taranaka mba hatao zavamaniry an-trano noho ny hakanton' ny raviny, toy ny Anthurium crystallinum, na noho ny felam-boniny mena, toy ny Anthurium scherzerianum.

Inty misylisitry ny karazana voatsonga:

  • Anthurium andraeanum Linden ex André
  • Anthurium cordatum (L.) Schott
  • Anthurium crenatum (L.) Kunth
  • Anthurium dominicense Schott
  • Anthurium grandifolium (Jacq.) Kunth
  • Anthurium palmatum (L.) G.Don
  • Anthurium scandens (Aubl.) Engl.
  • Anthurium scherzerianum Schott
  • Anthurium ×selloum K.Koch

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]