Ankohonana
Fiseho
Ny ankohonana dia fitambaran' ny olona rehetra ao anatin' ny tokantrano izay ahitana ny tena sy ny vady aman-janaka, mety miampy koa ny olona hafa rehetra iadidiana toy ny ray aman-dreny antitra, ny mpiasa, ny havana na zana-kavana mipetraka ao amin' ny tena. Ny tokantrano kosa, eo amin' ny kolontsaina malagasy, dia ny trano iveloman' ny mpivady mitokana tsy miaraka amin' ny ray aman-dreny na ny havana, mbamin' izay rehetra mikasika ny trano toy ny fanaka sy ny fikarakarana andavanandro atao ao.