Anisophylleaceae

Ny Anisophylleaceae dia fianakavian-javamaniry mamony ao amin' ny filahatrana Rosales na Cucurbitales arakaraka ny fanasokajiana, misy karazany 36 mitsinjara amin' ny vondron-karazana 4. Hazo sy hazobotry maniry any amin' ny faritra mando trôpikaly izy ireo.
Fanasokajiana
[hanova | hanova ny fango]Ity fianakaviana ity dia nofaritan' ilay bôtanista britanika Henry Nicholas Ridley (1855-1956) tamin' ny taona 1922. Ny fanasokajiana APG IV (2016) dia mametraka ity fianakaviana ity ao amin' ny filaharana Cucurbitales, toy ny efa nisy tao amin' ny fanasokajiana APG (1998) sy tao amin' ny fanasokajiana APG II (2003), ary tao amin' ny fanasokajiana APG III (2009). Ao amin' ny fanasokajian' i Cronquist (1981) dia ao amin' ny filaharana Rosales izy io.
Lisitry ny vondron-karazana
[hanova | hanova ny fango]
Inty ny lisitry ny vonddron-karazana araka ny Angiosperm Phylogeny Website (26 Mey 2010) sy ny NCBI (26 Mey 2010) ary ny DELTA Angio (26 mai 2010):
- Anisophyllea R.Br. ex Sabine
- Combretocarpus Hook.f.
- Poga Pierre
- Polygonanthus Ducke