Angovon-toerana araka aratra

Ny angovon-toerana araka aratra dia habe fizika izay mandrefy ny angovon' aratra isaky ny ventim-pahana eo amin' ny teboka iray ao amin' ny sahan' aratra, izay aseho amin' ny volt (eva: V). Anisan' ny habe mamaritra ny toetry ny herinaratra amin' ny teboka iray ao amin' ny habaka ny angovon-toerana araka aratra. Izy io dia mifanitsy amin' ny angovon-toerana elektrôstatika izay ananan' ny singa bitika voafahana eo amin' io teboka io zarain' ny fahan' ilay singa bitika (refesina amin' ny coulomb) amin' ny ampahany.
Ny elanelan' angovon-toerana araka aratra eo ankebakebaky ny teboka roa ao amin' ny habaka na ao amin' ny olika iray dia ahafahana mikajy ny fiovaovan' ny angovon-toerana, na mandrefy ny zitina misy eo amin' ireo teboka ireo amin' ny olik' aratra.