Angovon-taratra
Fiseho

Ao amin' ny fizika, ary indrindra eo amin' ny sehatry ny radiômetria, ny angovon-taratra, dia angovo azo avy amin' ny taratra elektrômanetika sy gravitasiônaly. Amin' ny maha angovo azy, ny venty ampiasaina dia ny joule (J). Ao amin' ny sampan' ny fizika ankoatry ny radiômetrika, ny angovo elektrômanetika dia tondroina amin' ny litera E na W. Ny teny hoe "angovon-taratra" dia ampiasaina indrindra rehefa mivoaka avy amin' ny loharano ao amin' ny tontolo manodidina ny taratra elektômanetika. Ity taratra ity dia mety ho hita na tsy hitan' ny mason' olombelona.