Angovon-drivotra

Ny angovon-drivotra dia endriky ny angovo azo havaozina vokarin' ny rivotra. Vokarina amin' ny alalan' ny famadihana ny angovon-ketsiky ny rivotra ho angovo mekanika, avy eo ho herinaratra amin' ny alalan' ny fotodrafitrasa natokana ho amin' izany ny angovon-drivotra. izany fitaovana izany dia ahitana lelany mihodinkodina hetsehin' ny herin' ny rivotra, ka manodina milina mpamokatra herinaratra. Ny angovon-drivotra dia manana tombony maro, anisan' izany ny toetrany tsy mety ritra, sy ny tsy famokarany etona karbônika firy, ary ny hakelin' ny fandaniana amin' ny fampandehanana azy rehefa tafapetraka ny fotodrafitrasa. Miankina amin' ny toetrandro anefa izany ary mety hiteraka tabataba na fanelingelenana amin' ny maso arakaraka ny toerana misy azy.