Angovon-drano
Fiseho

Ny angovon-drano dia ny angovo azo avy amin' ny hetsiky ny rano, amin' ny endriny rehetra: rian-drano, korian-drano (renirano, ony, sns), korian-dranomasina, famonta, onja. Ny angovon-drano dia tena angovon-kalaky mifandray amin' ny fihetsehan' ny rano toy ny hita amin' ny korian-dranomasina, ny korian-drano, ny famonta sy aka, ny onja na ny fampiasana angovon' elanelana azo avy amin' ny vesatra toy ny an' ny rian-drano sy ny tohodrano.
Io angovo io amin' izao fotoana izao dia avadika ho angovon' aratra, saingy efa ela no nampiasana azy mba hamokarana angovo mekanika, amin' ny alalan' ny fitaovana atao amin' ny teny frantsay hoe "moulins à eau", ary koa mba hahafahana mivezivezy amin' ny alalan' ny fikorianan' ny ony sy ny renirano.