Angovo elektrômanetika
Fiseho
Ny angovo elektrômanetika dia angovon' ny saha elektrômanetika na sahan' andriamby ao amin' ny habaka iray, amin' ny fotoana iray. Ny venty andrefesana ny habeny dia ny joule (J). Miankina amin' ny fotoana sy ny hadiry heverina izany. Amin' ny ankapobeny dia tsy voatahiry ny angovo elektrômanetika, izany hoe ny fiovan' ny angovo elektrômanetika amin' ny faritra iray dia tsy mitovy amin' ny rian' angovo izay tokony hiampita ny sisina manefitra an' io faritra io. Azo afindra amin' ny fahana sy ny rian' aratra misy ao amin' io faritry ny habaka io ny ampahany amin' ny angovo.