Angovo araka aratra

Ny angovo araka aratra na angovon' aratra dia angovo afindra amin' ny alalan' ny herinaratra, izany hoe amin' ny alalan' ny hetsiky ny fahan' aratra. Tsy endrika angovo tena izy toy ny angovon-kalaky na angovon-toerana izany, fa mpampita angovo, fomba fampitana angovo eo amin' ny rafitra roa ma maro toy ny hafanana na ny lahasa.
Tsy azo tehirizina betsaka ny angovo araka aratra raha tsy efa novana endrika. Fahan' aratra kely ihany no azo tahirizina, amin' ny endrika angovo elektrôstatika (na angovon-toerana elektrôstatika), ohatra ao amin' ny kôndansatera. Mila fitaovana mpanova endrika ny angovo sy fitaovam-pitahirizana ny fitahirizana angovo avy amin' ny famindrana herinaratra, amin' ny endrika angovo simika (ao anaty bateria), angovo mekanika, na angovon-toerana (tohodrano famokarana herinaratra).