Angongo

Ny angongo na ongongo na arosy na kaboke na sivongo na ara dia karazana ganagana ao amin' ny fianakaviana Anatidae. Sarkidiornis melanotos (na Sarkidiornis africana taloha) ny anarany ara-tsiansa. Hita eny amin' ny faritra mando trôpikaly sy sobtrôpikaly sy eny amin' ny lalan-drano ao Afrika atsimon' i Sahara sy eto Madagasikara, ary koa any amin' ny ampahany be amin' i Azia Atsimo sy ao amin' ny taniben' i Indôsina ity karazam-borona ity. Manasokajy misaraka ny Sarkidiornis melanotos sy ny Sarkidiornis sylvicola ny ankamaroan' ny manam-pahefana momba ny taksônômia.
Toetoetrany
[hanova | hanova ny fango]
Mirefy 56 ka hatramin' ny 76 sm ny arosy. Fotsy misy poentipentina mainty ny lohany sy ny tapany ambony amin' ny tendany, fotsy ny tapany ambany amin' ny tendany sy ny kibony, volondavenona na mainty arakaraka ny zana-karazana ny takibany, ary mainty misy manga sy maitso ary mivolom-barahina ny ambony amin' ny vatany. Misy nofo mivohitra mainty eo ambonin' ny vavan' ny lahy.
Toeram-ponenany
[hanova | hanova ny fango]
Miaina aty Afrika atsimon' i Sahara, anisan' izany i Madagasikara, ary koa any India sy any Azia Atsimo Atsinanana ny arosy na angongo, izay tsy hita any ivelan' ny ila bolantany atsinanana. Vorona fahita eny amin' ny farihy sy eny amin' ny heniheny any amin' ny faritra tsy misy ala ny arosy na angongo. Mifindra monina lavitra izy nefa tsy mihoatra ny faritra mafana.
Fiainany
[hanova | hanova ny fango]
Karazana mahay miara-monina ny arosy na angongo ary miaina anaty vondrona misy vorona telopolo eo ho eo. Amin' ny fizaràn-taona misy orana ny vanim-potoana fampitomboana taranaka, ka indraindray ny lahy mivady amin' ny vavy maromaro. Matetika ao amin' ny lavaka naty hazo no misy ny akaniny. Mihinana amin' ny alalan' ny firaohana na amin' ny alalan' ny mikopakopahana anaty rano ity karazana ity, ary matetika miteronterona eny ambony hazo izy io.