Angiosperm Phylogeny Group
Fiseho

Ny Angiosperm Phylogeny Group (na APG) dia vondrona bôtanista izay miasa amin' ny filôjenetikan' ny zavamaniry, mampiasa teknika môlekiolera sy famakafakana kladistika. Ity vondrona ity dia namoaka fanasokajiana bôtanika efatra:
- ny fanasokajiana APG (1998)
- ny fanasokajiana APG II (2003)
- ny fanasokajiana APG III (2009)
- ny fanasokajiana APG IV (2016)
Ity vondrona ity dia tsy tompon' andraikitra amin' ny tranokala Angiosperm Phylogeny Website, izay tantanin' ny iray amin' ny mpikambana ao aminy irery ihany: ny profesora Peter F. Stevens.
Ivontoerana maro no manana solontena amin' ny mpanoratra lehibe ao amin' ny APG, ao anatin' izany:
- ny Kungliga Vetenskapsakademien (Soeda);
- ny Uppsala universitet (Soeda);
- ny Kew Gardens, (Angletera);
- ny University of Maryland, College Park (Etazonia);
- ny University of Florida, Gainsville (Etazonia);
- ny Missouri Botanical Garden, Saint-Louis (Etazonia).
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Tranonkala ôfisialy: http://www.mobot.org