Androngo Kômôdo
Fiseho

Ny androngo Kômôdo (Varanus komodoensis), dia biby mandady lehibe amin'ny fianakavian'ny Varanidae izay tsy hita ao amin'ireo nosy Indôneziana Komodo, Rinca, Flores, Gili Dasami, ary Gili Motang. Izy io no karazana androngo lehibe indrindra, ary ny lahy dia mitombo hatramin'ny 3 m (10 ft) ny halavany ary mahatratra 150 kg (330 lb).
Vokatry ny habeny, ny androngo Kômôdo dia mpiremby faratampony, ary manjaka amin'ny tontolo iainana misy azy. Ny androngo Kômôdo dia mihaza sy manafika haza, anisan'izany ny tsy manana hazon-damosina, ny vorona ary ny biby mampinono.