Andro Antenatenany Ambony

Ny Andro Antenatenany Ambony na Andro Antenatenany Voalohany dia vanim-potoan' ny tantara eo anelanelan' ny Andro Taloha sy ny Andro Antenatenany Afovoany, ary fotoana mamaritra azy mazava tsara, izay iadian-kevitra, dia misabaka amin' ireo vanim-potoana roa ireo, indrindra fa ny Faran' ny Andro Taloha.
- Fiantombohany: 395 na 406
- Fiafarany: 924 na 987 na 1066
Misy fetra ara-jeôgrafia ihany koa izy io. Eny tokoa, amin' ny "vanim-potoana ambony" ao aminy, dia ampiasaina amin' ny fanondroana ny fizaràn-tany izay an' ny Tontolo Rômana ihany izy io, dia ny faritr' i Eorôpa Andrefana, i Eorôpa Atsinanana, i Eorôpa Atsimo, i Azia ary i Afrika manodidina ny Lemak' i Mediteranea. Na izany aza, rehefa akaikezina ny Andro Antenatenany Afovoany, io fetra io dia miitatra tsikelikely mihoatra an' ireo faritra ireo.
Noho izany, nanomboka amin' ny faran' ny taonjato faha-20, ny hoe Andro Antenatenany Voalohany dia nanjary vanim-potoana misy fetra ara-potoana tsy voafaritry ny daty intsony fa maneho fitohizana eo amin' ny Andro Taloha sy ny Andro Antenatenany Afovoany. Ny sisiny ara-jeôgrafka dia tsy natokana ho an' ny Tandrefana amin' ny fomba hentitra intsony fa miitatra hatrany Atsinanana Bizantina sy amin' ny Tontolo Arabo-Mozilmana.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Andro Taloha (3500-3000 tal KJ -- 300-600 taor JK)
- Andro Antenatenany (476 taor JK -- 1492 taor JK)