Andriampandramanenitra
Fiseho
Andriampandramanenitra dia vazimba nitondra sy nifehy an' Imerina talohan-dRangita sy Rafohy. Araka ny lovantsofina dia ny loholona na ny olobe na ihany koa ny zokiolona no neken'ny Vazimba hifehy sy hitondra ny fiarahamonina tamin'ny vanim-potoana fahagola. Rehefa tsy teo intsony i Andriampandramanenitra dia ny taizany (Rangita) no nitondra ny anaran-dray (tsy nanana zanakalahy izy ka Rangita no nisolo azy) ary nanomboka tamin'ny andron-dRangita no vao teraka ny vanim-potoana faha mpanjaka (1500).