Aller au contenu

Andriamanibavy Reny

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Andriamanibavy Lehibe)
Sary sokitry ny Andriamanibavy Reny avy any Madhya Pradesh na Rajasthan, India, taonjato faha-6-7, ao amin' ny National Museum of Korea, Seoul

Ny Andriamanibavy Reny na Andriamanibavy Lehibe dia andriamanibavy lehibe iray aseho ho reny na mpiteraka, na ho fisehoan' ny maha reny sy ny fahavokarana na manatanteraka ny anjara asa kôsmôlôjikan' ny mpamorona sy/na mpanimba, izay matetika ampifandraisina amin' ny Tany sy/na amin' ny Lanitra ary/na amin' ny fanomezany mahavelona ao amin' ny fifandraisan' ny maha reny amin' ny olombelona na amin' andriamanitra hafa.

Rehefa ampitovina amin' ny Tany na amin' ny tontolo voajanahary ny andriamanibavy toy izany, indraindray dia antsoina hoe Tany Reny na Reny Tany, izay andriamanitra ao amin' ny fivavahana animista na panteista. Ny andriamanibavin' ny Tany dia vady na vavy mifanoina amin' ny Ray any an-Danitra na Lanitra Ray, indrindra ao amin' ny teôlôjia isan-karazany avy amin' ny tontolon' ny Prôtô-Indô-Eorôpeana (izany hoe avy amin' i Dheghom (andriamanibavy) sy i Dyeus (andriamanidahy)).

Ao amin' ny kolontsaina pôliteista sasany, toy ny fivavahan' ny Ejiptiana taloha izay itantarana ny fedrà momba atody kôsmika, ny lanitra kosa dia heverina ho Reny any an-Danitra na Reny Lanitra toy ny hita ao amin' i Nut (andriamanibavy) sy i Hathor (andriamanibavy), ary ny andriamanitry ny tany dia heverina ho lehilahy na ray, ary mpiara-miasa ety an-tany, toa an' i Osiris (andriamanidahy) na i Geb (andriamanidahy) izay foy avy amin' ny atody kôsmika reny.