Hankany amin'ny vontoatiny

Andrefana

Avy amin'i Wikipedia

Ny andrefana dia iray amin' ny vazan-tany efatra sy ny lafin-trany valo. Mifanohitra amin' ny atsinanana ny andrefana ary mifampijadona amin' ny avaratra sy ny atsimo.

Ny faritra ilentehan' ny masoandro no andrefana. Misy fomba hafa koa ahafahana mamantatra ny vazan-tany, anisan' izany ny andrefana, dia ny fijerena ny kintana sy ny antokon-kintana. Ny tondroavaratra no fitaovana ampiasaina mba hamantarana ny vazan-tany.

Ny teny ilazana ny vazan-tany ampiasaina ho anarana na ho mpamari-toetra, dia soratana manomboka amin' ny sora-baventy rehefa tafiditra ao anatin' ny anaran-tsamirery milaza toerana na manondro faritra ara-jeôgrafia, fa manomboka amin' ny sora-madinika raha manondro zotra na todika.

Kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Fanandroana malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny fanandroana malagasy dia lafin-tany itoeran' ny vintana Alakaosy sy Alakarabo ny andrefana fa ny atsinanana mifanohitra aminy no itoeran' ny vintana Adaoro sy Adizaoza.

Ohabolana

[hanova | hanova ny fango]
  • Aza manao masoandro avy atsinanana, ka ny avo ihany no taingenana; fa manaova masoandro avy andrefana, ka izay mivoha tsidihina avokoa.
  • Boka nangala-tsira: any andrefan-tanàna vao ningoso reny.
  • Tsy mety raha foy ho ao atsimon-trano ka tsy foy ho ao andrefan-trano.
  • Manefahefa, tahaka ny tafi-lamban' andrefan-dRova.
  • Ny didin' Andriamanitra tahaka ny masoandro avy andrefana, ka mitsidika isam-baravarana.
  • Vary zato andrefan-trano: na tsitsina na tobaina, tsy an' iza fa anao ihany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]