Hankany amin'ny vontoatiny

Andramena

Avy amin'i Wikipedia
Andramena

Ny Andramena dia karazan-kazo sarobidy avy amin’ny fianakaviana Fabaceae, izay fantatra amin’ny anarana siantifika hoe Dalbergia louvelii[1]. Izy io dia hazo endemika eto Madagasikara, midika fa eto ihany no misy azy eto an-tany. Izy dia isan’ireo karazana hazo ao amin’ny sokajy rosewood, izay tena tiana noho ny hakanton’ny lokony sy ny kalitaon’ny hazony[2][3].

Dikan'ny anarana

[hanova | hanova ny fango]

Toetra ara-batana

[hanova | hanova ny fango]

Ny hazo andramena dia mahatratra eo amin’ny 12 hatramin’ny 20 metatra ny haavony, ary manana savaivony eo amin’ny 0.3–0.6 m amin’ny hazo lehibe. Ny lanjany maina dia eo amin'ny 930 kg/m².Ny lokony dia mena mamirapiratra eo afovoany, indraidray miloko volomparasy Ihany koa arakarakin'ny fahanteran'ilay hazo. Ny voany dia mañana endrika manify ary ny hazony dia tena mateza, mahazaka hamandoana sy bibikely[3] [4].

Ny andramena dia hita ao amin’ny faritra atsinanan’i Madagasikara, indrindra any amin’ny faritra avy any Maroantsetra ka hatrany Manakara[3][2]. Mitombo izy amin’ny ala mando ary amin’ny haavo mahatratra hatramin’ny 700 metatra eo ambonin’ny ranomasina sy amin’ny tany fasika[3][2] .

Fitrandrahana sy Varotra

[hanova | hanova ny fango]

Ny karazana Dalbergia eto Madagasikara, anisan’izany ny andramena, dia tafiditra ao amin’ny "Annexe II"ao amin’ny "CITES" nohon' ny fanondranana azy ho hazo sarobidy sy ny fitrandrahana tafahoatra[2][5].Nisy fitomboan’ny fanondranana an-tsokosoko tamin’ny wood «rosewood» avy any Madagasikara tany amin’ny tsena sinoa izay naka habetsahana lehibe tamin’ny taona 2010 hatramin’ny 2014[6].

Araka ny andramena dia voasokajy ho tandindonin-doza noho ny fipoahan' ny fitrandrahana azy sy ny fihenan’ny toerana misy azy[6].

Anjara toerana eo amin'ny tontolo iainana

[hanova | hanova ny fango]

Ny andramena dia manampy amin’ny fanamafisana ny firafitry ny ala, manome fialofana sy sakafo ho an’ny biby ary manampy amin’ny fitazonana ny tany sy ny rano amin’ny ala.Ny fihenan’ny isan’izy ireo dia mety hitarika fahapotepahana ara-ekôlôjia, ary hanimba ny zavamaniry sy biby hafa mitovy toerana aminy[3][7].

  1. "Andramena", tenymalagasy.org
  2. 1 2 3 4 5 6 7 https://www.delta-i"ntkey.com"/citeswood/"en/www/fabdamar.htm
  3. 1 2 3 4 5 6 7 https://planaty aaaalbergia_louvelii_%28PROTA%29
  4. https://www.wood-database.com/bois-de-rose
  5. https://bioone.org/journals/candollea/volume-78/issue-2/c2023v782a2/Taxonomic-studies-on-Malagasy-Dalbergia-Fabaceae-V-Eight-new-large/10.15553/c2023v782a2.full
  6. 1 2 https://news.mongabay.com/2019/05/conservationists-call-for-lasting-ban-on-trade-in-malagasy-precious-timber
  7. https://www.unep.org/news-and-stories/story/rosewood-conservation-success-story-madagascar