Andilan-tanin' i Panamà

Ny Andilan-tanin' i Panamà dia faritra tery eo anelanelan' ny Ranomasina Karaiba sy ny Ranomasimbe Pasifika, mampitohy an' i Amerika Atsimo sy i Amerika Avaratra. 50 km ny sakany amin' ny toerana tery indrindra.
Araka ny voalazan' i Henry Fairfield Osborn tamin' ny 1910 dia miorina amin' ny fôsilim-biby mampinono ao Amerika Afovoany ny Andilan-tanin' i Panamà, izay niforona 2,8 tapitrisa taona lasa izay nandritra ny Pliôsenina. Tamin' ny taona 2015 dia nisy mpikaroka hafa niady hevitra momba an' io fanomezana daty io, ary nilaza fa efa niforona tany aloha kokoa izy io, nandritra ny Miôsenina Afovoany, 13 ka hatramin' ny 15 tapitrisa taona lasa izay.
Ny Andilan-tanin' i Panamà no mamorona ny ampahany be amin' ny tanin' ny Repoblikan' i Panamà, izay tapahin' ny Lakandranon' i Panamà ho roa. Toy ny andilan-tany maro dia toerana manan-danja stratejika lehibe ny Andilan-tanin' i Panamà.