Andes
Fiseho

Ny Andes na Andy no tandavan-tendrombohitra lava indrindra eto an-tany, Amin' ny teny espanioôla izy io dia atao hoe Cordillera de los Andes. fa amin' ny teny ketsoa kosa dia atao hoe Anti.
Manana halava eo amin' ny 7 150 km eo ho eo ary 200 hatramin' ny 700 km ny sakany, ary misy tampon-tendrombohitra 100 manana haambo 6 000 m sy tampon-tendrombohitra 780 manana haambo 5 000 m izy ireo, Izy no tandavan-tendrombohitra avo indrindra ivelan' i Azia.
Ny tandavan-tendrombohitra Andes dia mamakivaky ny faritra akaikin' ny morontsiraka andrefana amin' i Amerika Atsimo, manomboka any Venezoela ka hatrany Kôlômbia, Ekoadôra, Però, Bôlivia, Arzantina ary Silia.
- La cordillère des Andes s'étendant à perte de vue.
- La cordillère Centrale.
- Les Andes vues d'avion.
- Cordillère Huallanca, prise au-dessus du Rio Cuero, Huasta, Bolognesi, Ancash, Pérou.