Andalan-kitendry (zavamaneno)
Fiseho

Ny andalan-kitendry, amin' ny mozika, sy raha ny marimarina kokoa, amin' ny ôrganôlôjia, dia fitambarana kitendry (lavalava na boribory toy ny bokotra) izay tsindriana amin' ny rantsan-tanana (amin' ny tanana iray na roa) mba hampanenoana ny zavamaneno sasany. Amin' ny sasany amin' izy ireo, amin' ny ôrga indrindraindrindra, dia misy andalan-kitendry manokana izay tsindriana amin' ny alalan' ny tongotra - amin' ity tranga ity, dia andalan-kitendrin-tongora ny anarany.

Ny kitendry, matetika, dia misy karazany roa (izay miavaka amin' ny lokony amin' ny ankapobeny):
- ny sasany, lava kokoa sy iva kokoa (matetika fotsy na mazava loko), mifanandrify amin' ny maripeo fito amin' ny tohapeo diatônika tsy misy diezy na bemôly (Do na C lehibe; La na A kely nanahary) ao amin' ny ôktava maromaro;
- ny hafa, fohy kokoa sy somary avo kokoa (matetika mainty na matro-doko), manatsofoka eo anelanelan' ny maripeo diatônika ny maripeo dimy novaina amin' ny diezy na bemôly ao amin' ny tohapeo krômatika.

Io fandaharana mifandimby amin' ny maripeo diatônika sy ny maripeo krômatika io dia manamora ny fahafahana mahita ny maripeo iray sy ahafahana manome anarana azy io.