Ampondradian-tany efitra

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Ampondradia an-tany efitra)
Ampondradia persiana

Ny ampondradian' i Persia na ampondradia persiana na borikidia persiana na borikidian' i Persia na ampondradian-tany efitra na borikidian-tany efitra (Equus hemionus onager) dia zana-karazana ao amin' ny Onager (ampondradia na borikidia aziatika) any any Iràna. Anisan' ireo karazana atahorana ho lany tamingana izy, izay tsy misy afa-tsy 600 mahery any anaty ala ary eo amin' ny 30 eo ho eo ompiana any Amerika Avaratra.

Ny faritra misy ny borikidia persiana dia avy any Môngôlia ka hatrany Arabia Saodita raha ny sisintany atsinanana sy andrefana, ary avy any Rosia ka hatrany Kazakstàna ny sisintany avaratra sy atsimo. Ny ampondradia persiana dia monina amin' ny lemaka be tendrombohitra, ny tany somary karakaina, ary amin'ny ankapobeny amin’ny lemaka karakaina. Ao amin' ny Valan-javaboarin'i Khar Turan, any Iràna, no ahitana azy ireo be indrindra.