Ampembimbazaha

Ny ampembimbazaha na ampembambazaha dia karazan-javamaniry tokan-dravin-tsimoka, ao amin' ny fianakaviana Poaceae (na Graminae), zana-pianakaviana Panicoideae, teratany any amin' ny Lemaka Mediteraneana. Sorghum halepense ny anarany ara-tsiansa.
Maniry mandavan-taona ny ampembimbazaha, izay manana tsinjara toerana saika amin' ny faritra rehetra, izay ambolena indraindray hohanin' ny biby fiompy, fa matetika no ahidratsy ho an' ny fambolena ary tena sarotra fongorina, heverina ho ahitra manimba indrindra any amin' ny firenena 53.
Miavaka izy io noho ny fisandrahaky ny rizômany izay tena mivelatra sy ny fananahany amin' ny alalan' ny vihy. Misy fiantraikany ratsy amin' ny fambolena sy ny fiompiana ity zavamaniry ity, noho ny fifaninanany henjana amin' ny zavamaniry ambolena sy ny fisian' ny poizina ao aminy ho an' ny biby mpihinana ahitra. Mahatonga ny fihenan' ny fahavokaran' ny tany izy io ary mety hitahiry otrikaretina isan-karazany. Fanampin' izany, dia mety hiteraka afo amin' ny fotoan' ny main-tany ny fahabetsahany.