Ampelopsis

Ny Ampelopsis dia vondron-karazana zavamaniry mamony, vahy ao amin' ny fianakaviana Vitaceae. Manana felambony dimy misaraka (tsy toy ny an' ny voaloboka ao amin' ny vondron-karazana Vitis, izay mitambatra eo amin' ny tendrony) ny vony kelin' ny karazana ao aminy, ary ny tangolika eny aminy dia mirantsana roa na telo (tsy toy ny an' ny karazana ao amin' ny vondron-karazana Parthenocissus). Ahitana karazana miisa 25 eo ho eo any Sina sy any Amerika Avaratra ny Ampelopsis. Avy amin' ny teny grika fahiny hoe: ἅμπελος / ampelos, izay midika hoe "voaloboka" ny anarany. Nomena anarana tamin' ny taona 1803 ity vondron-karazana ity. Hita indrindra any amin' ny faritra be tendrombohitra any amin' ny faritra manana toetany antonony ny Ampelopsis ary misy karazana sasany any amin' ny alan-tendrombohitra any amin' ny haambo antenatenany any amin' ny faritra trôpikaly sy sobtrôpikaly. Zavamaniry an-jaridaina malaza sady ahi-dratsy ny Ampelopsis glandulosa.
Lisitry ny karazana
[hanova | hanova ny fango]Inty ny liaitry ny karazana araka ny Plants of the World Online:
- Ampelopsis aconitifolia Bunge
- Ampelopsis acutidentata W.T.Wang
- Ampelopsis bodinieri (H.Lév. & Vaniot) Rehder
- Ampelopsis chondisensis (Vassilcz. & V.N.Vassil.) Tulyag.
- Ampelopsis cordata Michx.
- Ampelopsis delavayana Planch. ex Franch.
- Ampelopsis denudata Planch.
- Ampelopsis glandulosa (Wall.) Momiy.
- Ampelopsis humulifolia Bunge
- Ampelopsis japonica (Thunb.) Makino
- Ampelopsis mollifolia W.T.Wang
- Ampelopsis orientalis (Lam.) Planch.
- Ampelopsis tadshikistanica Zaprjagaeva
- Ampelopsis tomentosa Planch. ex Franch.
- Ampelopsis vitifolia (Boiss.) Planch.
- Ampelopsis wangii I.M.Turner
Karazana nafindra ao amin' ny Nekemias
[hanova | hanova ny fango]- Ampelopsis arborea (L.) Koehne → Nekemias arborea
- Ampelopsis cantoniensis (Hook. & Arn.) K.Koch → Nekemias cantoniensis
- Ampelopsis grossedentata (Hand.-Mazz.) W.T.Wang → Nekemias grossedentata