Ampalibe
Fiseho
| Ampalibe | |
|---|---|
| Fanasokajiana ara-tsiansa | |
| Fanjakana: | |
| Klady: | |
| Klady: | |
| Klady: | |
| Klady: | |
| Filaharana: | |
| Fianakaviana: | |
| Vondron-karazana: | |
| Karazana: | A. heterophyllus |
Ny ampalibe dia karazana hazo ao amin' ny fianakaviana Moraceae. Artocarpus heterophyllus ny anarany ara-tsiansa.
Ny ampalibe no zavamaniry manana voany lehibe indrindra, mety mahatratra 55 kilao ny lanjany, 90 sm ny halavany, ary 50 sm ny savaivony. Mamoa voa 200 eo ho eo isan-taona ny hazo iray, ka mahatratra 500 eo ho eo isan-taona ny hazo antitra. Voankazo maromaro misy vihiny an-jatony ka hatramin' ny anarivony ny ampalibe, ary ny nofon' ny voany manta dia hanin' ny olona.
Maniry tsara amin' ny faritra iva trôpikaly ny ampalibe ary ambolena be dia be manerana ny faritra mafana eran' izao tontolo izao, indrindra fa any Azia Atsimo ka hatrany Azia Atsimo Atsinanana sy Ôseania.