Amir (mpihira)
Laurent Amir Khalifa Khedider Haddad
| |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Laurent Amir Khalifa Khedider Haddad | ||
Teraka | 20 jona 1984 | ||
Toerana | Paris | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | France | ||
Asa : | Mpihira | ||
Fiainana manokana | |||
AMIR
[hanova | hanova ny fango]Amir Haddad, izay fantatra amin'ny anarana hoe: Amir, dia teraka tamin'ny 20 jona 1984, tao amin'ny boriborin-tany faha roa amby folo ao Paris. Izy dia mpamoron-kira, mpihira, ary mpanakanto frantsay- israeliana.
Taorian'ny nandraisany anjara tamin'ny famaranana tamin'ny vanim-potoana fahatelo tamin'ny hoe: "The voice,la plus belle voix", dia nofidiana hisolo tena an'i Frantsa tamin'ny "eurovision" 2016. Nahazo ny laharana fahaenina izy tamin'izany, niaraka tamin'ilay hira mitondra ny lohateny hoe: "J'ai cherché", izay nalaina avy amin'ny rakikira "Au coeur de moi".[1][2]
FIAINANA SY FIANDOHANA
[hanova | hanova ny fango]Laurent Amir Khalifa Khedider Haddad, dia teraka tao amin'ny boriborin-tany faharoa amby folo tao Paris, ny 20 jona 1984. Fianakaviana Jiosy Sefarada avy any Gonizia sy Marôka. Ny 22 aprily 2023, dia maty ny reniny, Carmi Haddad, rehefa feno dimy amby enimpolo taona.[3]
Manana zom-pirenena Frantsay-Israeliana izy. Manana fahasembanana amin'ny fandrenesana izy fony vao teraka, ny sofiny ankavia ihany no mandreha. Nisy nanao diagnostika azy afaka fotoana vitsy taty aoriana, fa manana olana amin'ny fifantohana sy fahavitrihana tafahoatra izy.
Nifindra monina tany Israely ny fianakaviany, fony vao valo taona izy, taorian'ny nipetrahany tao Sarcelles, ao amin'ny departemanta Val-d'Oise. Amir, anarany faharoa no ampiasainy andavanandro. Nanao miaramila tany amin'ny tafika Israelianina izy noho ny fahaizany miteny teny roa (frantsay sy hebreo), ka serza-mpitari-tafika ao amin'ny sampan-draharaha misahana ny fampitam-baovao no asany.
Lasa nalaza tany Israely izy tamin'ny 2006, rehefa tonga tamin'ny famaranana tamin'ny "Kokhav Noad", ilay fifaninana mitovitovy amin'ny "Nouvelle Star" any Frantsa. Nanomboka nianatra nify tany amin'ny Oniversite Hebreo ao Jerosalema izy, tamin'io taona io ihany, narahiny tamin'ny fitohizan'ny asa mozika izany.
Namoaka ny rakikira voalohany izy tamin'ny taona 2011, mitondra ny lohateny hoe: "Vayehi", izay voarakitra an-tsonia tamin'ny 2008. Izy sy ilay mpitendry mozika Omri Dagan, samy mbola mpianatra tamin'izany no nanoratra an'ilay hira. Ahitana ilay hira amin'ny teny hebreo "j'te l'dis qiand même" nosoratan'i Patrick Bruel ao anatin'io rakikira io, sy fiaraha-miasa tamin'i Dj Offer Nissim, izay nandrakitra indray ny hiran'i Mylène Farmer Désechantée tamin'ny 1991.[4] bu
THE VOICE
[hanova | hanova ny fango]Tamin'ny volana aogositra 2013, nifandray taminy ny fandaharana "The Voice, la plus belle voix"ao amin'ny TF1, mba hanasa azy handray anjara amin'ny fifantenana ho an'ny vanim-potoana fahatelo, taorian'ny nametrahany "clip" tao amin'ny aterineto noho ny tolo-kevitry ny namany iray. Nekena ny fandraisany anjara. Natao nanomboka tamin'ny janoary ka hatramin'ny may 2014 ilay fifaninana.
Nahomby izy tamin'ny dingan'ny fihainoana an-jambany tamin'ny hira "Candle in the Wind" an'i Elton Jhon, izay nahatonga ireo mpanazatra Florent Pagny, Jenifer, Mika ary Garou hiverina. I Jenifer no nofidiany ho mpanazatra azy, nitohy ny diany ary tonga hatrany amin'ny famaranana. Anisan'ireo mpifaninana efatra farany izy, nahazo ny laharana fahatelo , taorian'i Kendji Girac sy Maxmilien Philippe.
Nandray anjara tamin'ny "Forever Gentleman 2", fanangonana hira izy, rehefa tapitra ilay fandaharana , niarahany sy Camille Lou nanao ilay hira hoe:"le soleil de ma vie". Nanomana ny rakikira voalohany tamin'ny teny frantsay izy tamin'izany foatoana izany.
Ny sabotsy 24 febroary 2018, dia nandray anjara tamin'ny fihainoana an-jambany ho an'ny vanim-potoana fahafito an'ny "The Voice" ao amin'ny TF1 i Anto, zanak'anadahin'i Amir. Tafiditra tao amin'ny ekipan'i Zazie izy.
EUROVISION 2016
[hanova | hanova ny fango]Amir Haddad teo amin'ny sehatra "Ericsson Globe", nandritra ny fifaninana hira "Eurovision 2016".
Nahazo laharana fa dimy abin'ny roapolo tamin'ny fito ambin'ny roapolo i Frantsa, rehefa nifarana ny fifaninana hira "Eurovison", tamin'ny taona 2015, ka nahazo isa efatra. Taorian'izay, i Nathalie André, Talen'ny fialamboly ao amin'ny Frantsa II sady tompon'andraikitra amin'ny fisafidianana ny solontenan'i Frantsa, dia nilaza hoe: " Adalako dia nifidy izay tsara feo fotsiny fa tsy nalefako i Enrique Iglesias. Vonona aho hanarina izany amin'ny taona 2016, ary hanomboka sahady anio".
Ho an'ny fanontana manaraka, i Nathalie André sy ny ekipany dia nifidy an'i Amir Haddad.
Ho an'ny olona sasany, tetika mendrika ny misafidy mpifaninana tamin'ny "The Voice", satria efa nitondra voka-tsoa ho an'ireo firenena hafa toa an'o Belzika, Albania, Norvezy, Rosia, Soeda, Aotrisy, ary Aostralia izany fomba izany.
Tamin'ny 29 febroary 2016, nambaran'i FrantsaII fa i Amir no hisolo tena an'i Frantsa amin'ilay hira: "J'ai cherché" amin'ny "eurovision" faha iraika amby enimpolo, izay natao tao Stockholm ny 14 mai 201. Nifarana tamin'ny laharana fahaenina izy,(fahatelo aza raha ny vaton'ny mpitsara nasionaly no jerena), izay loka tsara indrindra azon'i Frantsa hatramin'ny taona 2002. Nahazo 257 isa izy, ka nandrava ny fetra nahazoan'i Frantsa teo aloha, izay notazominy hatramin'ny taona 2021, raha nihoaran'i Barbara Pravi sy ny hirany "Voilà",izay nahazo isa 449.
Nivoaka herinandro roa mialoha ny rakikira "Au coeur de moi", misy ilay hira hoe: "J'ai cherché", tamin'ny 29 aprily 2016, nahazo mari-pankasitrahana "triple disque de platine" taty aoriana.[5]
TAORIAN'NY EUROVISION
[hanova | hanova ny fango]Nahazo ny lokan'ny mpanakanto Frantsay tsara indrindra izy, tamin'ny 6 novambra 2016, nandritra ny MTV Europe Music Awards, izay natao tao Rotterdam, Pays-Bas. Tamin'ny 12 novambra 2016, nandritra ny NRJ Music Awards fahavalo ambin'ny folo, dia nahazo loka roa izy: fahatsiarovana Frantsay tamin'ny taona, sy hira frantsay tsara indrindra noho ny hira "J'ai cherché".[6]
Tamin'ny taona 2017 ka hatramin'ny taona 2019, anisan'ny tarika "Les Enfoirés" izy, ary hatramin'ny taona 2021 ihany koa. Niara-nanome fanehoan-kevitra tamin'ny Frantsa II, niaraka tamin'i Marianne James sy Stephane Bern,nandritra ny famaranana ny fifaninanan-kira Eurovision faharoa amby enimpolo, tamin'ny 13 may 2017, tao Kiev, Okraina. Andro vitsivitsy taorian'izay dia nivoaka ny hira "No Vacancy", fiarahana tamin'ny tarika Onerepublic.
Nivoaka ny hira "Etats d'amour", tamin'ny 25 aogositra 2017, izay no hiram-pahiny voalohany amin'ny rakikira fahatelo mitondra ny lohateny hoe: "Addictions", nivoaka tamin'ny 27 oktobra. Miresaka momba ny fiainan-takona ity hira ity, amin'ilay gadona mitovy an'ireo teo aloha. Nahazo marim-pankasitrahana "disque de platine" in-telo ilay rakikira, nisy ireo hira mitondra ny lohateny hoe: "Les rues da ma peine, Longtemps ary 5 minutes avec toi".
Lasa iray amin'ireo mpitsara telo amin'ny fandaharana "Destination Eurovision" amin'ny Frantsa II izy, taorian'ny fandraisany anjara tamin'ny fanomezan-dresaka amin'ny teny frantsay ho an'ilay sarimiaina Amerikana Lego Ninjango, izay mitady ny mpanakanto sy ny hira hiaro ny anaran'i Frantsa "Eurovision" 2018.
Olona nihaotra ny fitopolo no nihetsika taorian'ny antson'ny fikambanana "Urgence Homophobie", tamin'ny 19 desambra 2018. Anisan'ireo i Amir, hita ao amin'ilay "clip" hira hoe:"De l'amour".
Tamin'ny 10 novambra 2019, nanambara tao amin'ny tambajotra sosialy izy, fa haka fotoana hitsaharana amin'ny asany.
Lasa mpitsara ao amin'ny fandaharana "Good Singers", izay tantanan'i Jarry ao amin'ny TF1 izy, tamin'ny taona 2020. Tamin'io taona io ihany koa izy no niseho tamin'ny sarimihetsika "Adorables". Nivoaka ny rakikira fahatelo mitondra ny lohateny hoe "Ressources", tamin'ny 16 oktobra 2020.
Niara-niasa tamin'ilay mpihira Sia izy, tamin'ny hira mitondra ny lohateny hoe: "1+1", nivoaka tamin'ny 13 jolay 2021.
Tamin'ny taona 2021, tao amin'ny fandaharana "The Voice All Stars" izy, efa mpifaninana teo aloha tao amin'ilay fandaharana ihany izy, tonga nanampy an'i Jenifer tamin'ny asany maha-pampiofana azy.
Nanomboka tamin'ny 26 aprily 2022,dia nilalao tao amin'ny teatra "Edouard VII" ao Paris izy, tamin'ny tantara an-tsehatra mitondra ny lohateny hoe "Sélectionné", izy irery ihany no nilalao azy, izy no nanao ny anjaran'i Alfred Nakache, nantsoina hoe: "Ilay mpilomano Auschwitz". Noho ny fahombiazan'ny fampisehoana, nokasaina ho natao imbalo ambin'ny folo ihany, dia nampitomboina iray volana.
Nofidiana ho hira fanentanana ofisialy an'i fahitalavitra Frantsa ho an'ny lalao olaimpika fahavaratra 2024 izay hatao ao Paris, ny hirany vaovao mitondra ny lohateny hoe: "Sommet".
Nivoaka tamin'ny 13 septambra 2024, ny rakikira fahaefatra , nampitondrainy ny lohateny hoe: "C Amir". Io lohateny io dia anarana "anagramme" fiantsoana ny reniny Carmi, izay maty tamin'ny taona 2023, izay nisy fiatraikany lalina tamin'i Amir. Resahany ao anaty lohahevitra lehibe toy ny fanafihana tamin'ny 7 oktobra 2023 ao amin'ilay hirany "Supernova", ny fahanginana sy ny alahelo ao amn'ilay hira "Parle-moi", ary ny finoana ao amin'ny "Mal Agir".
FIAINANY MANOKANA
[hanova | hanova ny fango]Nanambady an'i Lital tany Israely i Amir Haddad, tamin'ny 7 jolay 2014, vehivavy niaraka taminy nandritra ny taona maromaro. Teraka ny zanany lahy voalohany izy tamin'ny febroary 2019, nantsoina hoe: Mikhaël. Tamin'ny jolay 2022, teraka ny zanany faharoa nantsoina hoe: Or (izay midika hoe: Hazavana), ary ny fahatelo tamin'ny febroary 2025.[7]
RAKIKIRA
[hanova | hanova ny fango]Album Studio
[hanova | hanova ny fango]•2016: Au coeur de moi (Sash, Warner)[8]
•2017: Addictions (Sash, Warner)
•2020: Ressources (Warner Music Group)
•2024: C Amir (Parlophone, Sash)[9]
LOHARANO
[hanova | hanova ny fango]1.https://fr.wikipedia.org/wiki/Amir_(chanteur)
3.https://en.wikipedia.org/wiki/Amir_Haddad_discography
4.https://www.fnac.com/Amir/ia535032/bio#fulldescription
6.https://www.allformusic.fr/amir-haddad/discographie
- ↑ 3.https://en.wikipedia.org/wiki/Amir_Haddad_discography
- ↑ 1.https://fr.wikipedia.org/wiki/Amir_(chanteur)
- ↑ 2.https://www.discogs.com/fr/artist/2701992-Amir-Haddad?srsltid=AfmBOoqLi1B7-jyJ7UMRdMKpI7u2VC2XfVBMl4RuDSYYPXzYYh81iv_n
- ↑ 1.https://fr.wikipedia.org/wiki/Amir_(chanteur)
- ↑ 3.https://en.wikipedia.org/wiki/Amir_Haddad_discography
- ↑ 4.https://www.fnac.com/Amir/ia535032/bio#fulldescription
- ↑ 1.https://fr.wikipedia.org/wiki/Amir_(chanteur)
- ↑ 3.https://en.wikipedia.org/wiki/Amir_Haddad_discography
- ↑ 6.https://www.allformusic.fr/amir-haddad/discographie