Gymnanthemum appendiculatum
Ny Gymnanthemum appendiculatum (Less.) H. Rob. dia karazana hazobotry, ao amin' ny fianakaviana Asteraceae. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe ambiaty. Tsy hita afa-tsy eto Madagasikara ity zavamairy ity.
Fanasokajiana
[hanova | hanova ny fango]Ny anarana ara-tsiansan' ny ambiaty ankehitriny dia Gymnanthemum appendiculatum (Less.) H. Rob. fa Vernonia appendiculata Less. izany teo aloha. Karazana maromaro efa voasokajy teo aloha tao amin' ny antoko Vernonia no nafindra ho any amin' ny antokon-javamaniry hafa, indrindra fa ao amin' ny Gymnanthemum, taorian' ny fanavaozana ny taksonômia mifototra amin' ny fepetra ara-môrfôlôjia sy ara-môlekiola.
Fampiasana azy
[hanova | hanova ny fango]Fampiasan' ny Malagasy azy
[hanova | hanova ny fango]Famantaram-potoana
[hanova | hanova ny fango]Famantaran' ny olona ny fotoana tokony hamafazana vary ny famelanan' ny ambiaty, ka io no atao hoe "vakiambiaty".
Famandrihana sifotra
[hanova | hanova ny fango]Ny fehezan' amboaran-draviny dia atao ao anaty dobo na honahona mba entina hisambotra sifotra izay hiraikitra maro eny aminy.
Fitsaboana
[hanova | hanova ny fango]Apetaka amin' ny fery ny raviny mba hanasitrana izany.
Kolontsaina
[hanova | hanova ny fango]Ohabolana
[hanova | hanova ny fango]- Ambiaty niakaram-bitsika: hondrahondrany foana, fa ny tenany be efa haroka.
- Aza manao tahaka ny ambiaty: mahalala taon-kamoazana fa tsy manam-boa.
- Aza mivarotra omby anaty ambiaty.
- Basy ambiaty ka tapaka anio soloana rahampitso.
- Izaho hilevina amin' ny ambiaty, ary hianareo hilevina amin' ny ambora.
- Manan-jara samy hazo ny ambiaty: nahazo to amin' Andriamanitra, ka nataon' ny olona famantaran-taona noho ny tenin' ny razana.
- Ny ambiaty va no tsy mahalala taona, sa ny ranonorana no manao vatravatra ?
- Tanàna haolo, tsy ilaozam-pandrotrarana, hadivory tsy ilaozan' ambiaty, teny maro tsy ilaozan-diso.
- Tsy mba ny ambiaty mahita ny ao am-pon' ny lanitra.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- "Gymnanthemum appendiculatum", www.inaturalist.org