Hankany amin'ny vontoatiny

Ambanivohitra

Avy amin'i Wikipedia

Ny ambanivohitra dia faritra ivelan’ny tanàn-dehibe, izay ahitana mponina miaina amin’ny fomba tsotra sy mifandray akaiky amin’ny tontolo voajanahary. Matetika, ny toekarena any ambanivohitra dia miorina amin’ny fambolena sy fiompiana[1] ary asa tanana[2].

Any ambanivohitra dia mifanakaiky sy mifampitsinjo ny olona, ary mbola manjaka ny soatoavina nentin-drazana sy ny fiarahamonina. Na dia eo aza izany, maro amin’ ny faritra ambanivohitra no miatrika olana toy ny:

Ankehitriny dia misy ny ezaka avy amin’ny fanjakana sy ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana (ONG) hampiroboroboana ny fampandrosoana maharitra any ambanivohitra, amin’ny alalan’ny fampitaovana sy ny fanabeazana ary ny fanohanana ny tantsaha sy ny vehivavy.

Ny ambanivohitra dia fototra iorenan’ny firenena satria mamatsy sakafo sy akora ilaina amin’ny fiainan’ny tanàna. Zava-dehibe ny fampiroboroboana ny fiainan’ny mponina any, mba hahazoan’izy ireo tombontsoa mitovy amin’ny mponina an-tanàn-dehibe.

  1. https://mg.globalvoices.org/2008/04/01/743/
  2. https://mg.globalvoices.org/2019/07/01/140738/
  3. https://mg.globalvoices.org/2024/04/17/169157/