Ambanilanitra
Fiseho
Ny ambanilanitra dia ny vahoaka manontolo tsy an-kanavaka eran' ny fanjakan' ny mpanjaka, indrindra tao amin' ny Fanjakana Merina taloha. Betsaka lavitra noho ny ambaniandro na ambanimasoandro.
Ohabolana
[hanova | hanova ny fango]- Akondro iray fototra ny ambanilanitra: ny mamololona ho raviny, akondro ihany; ny manondro lanitra ho voany, akondro ihany; ny miendaka ho raty, akondro ihany; ny mitsontsorika ho lafiny, akondro ihany.
- Mangalatra an-tsena ka mihaika ny ambanilanitra.
- Raha ny tianao no hatao: avia rey ambanilanitra, fa raha ny an' olona kosa: tsy afaka aho fa be lohalika !
- Tsihy be lambanana ny ambanilanitra.
- Tsy miova fenitra ny ambanilanitra.
- Tsiriry ahitra hipetraka amin' ny tany, fa tsy mba tsiriry vorona handositra ny ambanilanitra.