Hankany amin'ny vontoatiny

Ambaniandro

Avy amin'i Wikipedia

Ny Ambaniandro ny vahoakan' ny mpanjaka tao Imerina, afa-tsy ny andriana sy ny andevo. Anisan' izany ny Hova sy ny Bemihisatra. Nantsoina hoe Ambanimasoandro koa izy ireo. "Ambanilanitra" kosa no niantsoana ny mponina rehetra tsy an-kanavaka eran' ny fanjakana, ao anatin' izany na andriana na hova na andevo. Io anarana hoe "Ambaniandro" io dia nomen' ny foko malagasy sasany ny Merina, na inona sarangany na inona.

Ohabolana

[hanova | hanova ny fango]
  • Mangalatra an-tsena ka mihaika ny ambaniandro.
  • Masia-tongotra toa Ambaniandro.
  • Sitrapon-dRakamisy no nanambadiany Ambaniandro.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]