Hankany amin'ny vontoatiny

Amaryllidaceae

Avy amin'i Wikipedia
Amaryllis belladonna

Ny Amaryllidaceae dia fianakavian-javamaniry ahitra mamony, tokan-dravin-tsimoka, ny ankamaroany dia maharitra sy misy vodiny (mahalana ny misy taranjany), ao amin' ny filaharana Asparagales. Avy amin' ny an' ny vondron-karazana Amaryllis ny anaran' io fianakaviana io. Matetika mahitsy ny raviny izay mety mihintsana, ary matetika no misy lahimbony sy vavimbony ny voniny izay mipetaka amin' ny taho toa elo. Ny fangaron' ny solfiorana alila dia mamokatra fofona mampiavaka ny tongolo izay mamorona zana-karazana ao aminy (Allioideae).

Misy karazana 1 600 eo ho eo ity fianakaviana ity, izay noforonina tany am-boalohany tamin' ny taona 1805, sady mitsinjara amina vondron-karazana 71 sy amina foko 17 ary amina zana-pianakaviana telo, dia ny Agapanthoideae, ny Allioideae (tongolobe sy tongologasy) ary ny Amaryllidoideae. Rehefa nandeha ny fotoana dia nisy fanavaozana maro ity fianakaviana ity ary tamin' ny fotoana samihafa dia natambatra imbetsaka tamin' ny Liliaceae. Nanomboka tamin' ny taona 2009 dia nisy fomba fijery mivelatra be miorina amin' ny filôjenetika, ary nampidirana fianakaviana maro hafa taloha.

Ao amin' ny fanasokajiana filôjenetika APG II (2003) dia azo raisina na avela ity fianakaviana ity: azo ampidirina ao amin' ny Alliaceae ihany koa ny karazan-javamaniry ao aminy. Ahitana an' io fianakaviana io nampidirana ny vondron-karazana napetraka tao amin' ny fianakaviana Agapanthaceae sy ny Alliaceae, ny fanasokajiana filôjenetika APG III (2009), anisan' izany ny Agapanthus sy ny Galanthus.

Hita any amin' ny faritra manana toetany sy sobtrôpikaly ary antonony eran' izao tontolo izao ilay fianakaviana izay ahitana zavamaniry fanao legioma sy haingon-trano maro.

Lisitry ny vondron-karazana

[hanova | hanova ny fango]

Ny Plants of the World Online dia manaiky 71. Ny Angiosperm Phylogeny Website dia mitanisa vondron-karazana 73 sy karazana 1 605 ao anatin' ny Amaryllidaceae s.l., raha ny The Plant List (2013) kosa dia mitanisa vondron-karazana 80 sy karazana 2 258.

  • Acis Salisb.
  • Agapanthus L'Hér.
  • Allium L.
  • Amaryllis L.
  • Ammocharis Herb.
  • Apodolirion Baker
  • Atacamallium Nic.García
  • Boophone Herb.
  • Brunsvigia Heist.
  • Calostemma R.Br.
  • Cearanthes Ravenna
  • Chlidanthus Herb.
  • Clinanthus Herb.
  • Clivia Lindl.
  • Crinum L.
  • Crossyne Salisb.
  • Cryptostephanus Welw. ex Baker
  • Cyrtanthus Aiton
  • Eucrosia Ker Gawl.
  • Eustephia Cav.
  • Galanthus L.
  • Gethyllis L.
  • Gilliesia Lindl.
  • Griffinia Ker Gawl.
  • Haemanthus L.
  • Hannonia Braun-Blanq. & Maire
  • Hessea Herb.
  • Hieronymiella Pax
  • Hippeastrum Herb.
  • Hymenocallis Salisb.
  • Ipheion Raf.
  • Ismene Salisb. ex Herb.
  • Lapiedra Lag.
  • Latace Phil.
  • Leptochiton Sealy
  • Leucocoryne Lindl.
  • Leucojum L.
  • Lycoris Herb.
  • Mathieua Klotzsch
  • Miersia Lindl.
  • × Myobranthus ined.
  • Namaquanula D.Müll.-Doblies & U.Müll.-Doblies
  • Narcissus L.
  • Nerine Herb.
  • Nothoscordum Kunth
  • Pamianthe Stapf
  • Pancratium Dill. ex L.
  • Paposoa Nic.García
  • Paramongaia Velarde
  • Phaedranassa Herb.
  • Phycella Lindl.
  • Plagiolirion Baker
  • Proiphys Herb.
  • Pyrolirion Herb.
  • Rauhia Traub
  • Rhodolirium Phil.
  • Scadoxus Raf.
  • Schickendantziella Speg.
  • Shoubiaonia W.H.Qin, W.Q.Meng & Kun Liu
  • Sprekelia Heist.
  • Stenomesson Herb.
  • Sternbergia Waldst. & Kit.
  • Strumaria Jacq.
  • Traubia Moldenke
  • Trichlora Baker
  • Tristagma Poepp.
  • Tulbaghia L.
  • Ungernia Bunge
  • Urceolina Rchb.
  • Vagaria Herb.
  • Worsleya (Traub) Traub
  • Zephyranthes Herb.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]