Hankany amin'ny vontoatiny

Amaranthus spinosus

Avy amin'i Wikipedia
Amaranthus spinosus

Ny Amaranthus spinosus dia karazan-javamaniry mamony, roa ravin-tsimoka, ao amin' ny fianakaviana Amaranthaceae, hita any amin' ny faritra trôpikaly sy sobtrôpikaly.

Amin' ny teny malagasy ity zavamaniry ity dia atao hoe anampantsy, anampatsa, añampatsy, anapatsalahy, dasy, felipatika, kimoaelahy, kimoaevavy, kimoelahy, ary sabotraboay[1].

Maniry isan-taona amin' ny tany be azôta na nitrata na fako ôrganika sady zavamaniry ahitra misy tsilo ity zavamaniry ity. Ahi-dratsy any amin' ny faritra maro maneran-tany ity karazana ity. Voalaza tamin' ny taona 2012 fa mahatohitra ny glifôzata (fanafosy famonoana ahitra) ny Amaranthus spinosus sasany any Etazonia. Any amin' ny faritra mafana sasany aty Afrika, ny ravin' ny Amaranthus spinosus dia andrahoin' ny olona amin' ny rano mba hatao sakafo. Ity zavamaniry ity ihany koa dia atao fanafody amin' ny fitsaboana nentim-paharazana indiana (Ayurveda) mba hitsaboana ny fanaviana sy ny fitohanana ary ary mampamany matetika.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. "Amaranthus", tenymalagasy.org