Aloe vera
Fiseho

Ny Aloe vera dia karazana vahona, zavamaniry matevin-dravina sy mitahiry ranony be sy mafaitra, ao amin' ny fianakaviana Aloaceae (araka ny fanasokajiana klasikan' i Cronquist) na Asphodelaceae (araka ny fanasokajiana APG IV). Atao hoe sakoakenkigny izy io amin' ny teny malagasy antankarana na vahona fotsiny. Miely patrana izy io, ary heverina ho karazana manafika any amin' ny faritra maro maneran-tany. Avy any amin' ny Saikanosy Arabika izy io, saingy mitombo any anaty ala any amin' ny toetany trôpikaly sy maina manerana izao tontolo izao. Izy io dia ambolena ho an' ny vokatra ara-barotra, indrindra amkin' ny fitsaboana nentim-paharazana nandritra ny taonjato maro.