Hankany amin'ny vontoatiny

Aloe

Avy amin'i Wikipedia
Karazam-bahona atao hoe Aloe vera

Ny Aloe dia antokon-javamaniry mamony be ranony, izay atao amin' ny teny malagasy hoe vahona. Ao amin' ny fianakaviana Aloaceae izay ao amin' ny filaharana Liliales izy io araka ny fanasokajiana klasikan' i Cronquist. Nametraka an' io antokon-javamaniry io ao amin' ny fianakaviana Xanthorrhoeaceae, zana-pianakaviana Asphodeloideae, ao amin' ny filaharana Asparagales, ny fanasokajiana APG III (2009). Ny fanasokajiana APG IV (2016) dia nametraka an' io antoko io ao amin' ny fianakaviana Asphodelaceae, zana-pianakaviana Asphodeloideae, ao amin' ny filaharana Asparagales.

Teratany ao Afrika, eto Madagasikara, ao amin' ny nosy Maskarena, any amin' ny Saikinosy Arabo ary any Socotra ny karazana ao aminy. Nampidirina tany amin' ny firenena maro ny karazana vahona sasany. Izy ireo koa dia hita manerana ny Mediteranea, any Amerika Avaratra, any Amerika Atsimo, any Amerika Afovoany, any India, any Azia Atsimo-Atsinanana, ary any Kôrea sy Aostralia koa aza.

Ny karazana fantatra

[hanova | hanova ny fango]

Miisa eo anelan' ny 600 sy 650 ny karazana vahona ekena fisiana ao amin' ny antokon-javamaniry Aloe (jereo: Lisitry ny karazana ao amin' ny Aloe). Indreto ny sasany amin' ny karazana ekena:

  • Aloe aculeata Pole-Evans
  • Aloe africana Mill.
  • Aloe albida (Stapf) Reynolds
  • Aloe albiflora Guillaumin
  • Aloe arborescens Mill.
  • Aloe arenicola Reynolds
  • Aloe argenticauda Merxm. & Giess
  • Aloe bakeri Scott-Elliot
  • Aloe ballii Reynolds
  • Aloe ballyi Reynolds
  • Aloe brevifolia Mill.
  • Aloe broomii Schönland
  • Aloe buettneri A.Berger
  • Aloe camperi Schweinf.
  • Aloe capitata Baker
  • Aloe comosa Marloth & A.Berger
  • Aloe cooperi Baker
  • Aloe corallina Verd.
  • Aloe dewinteri Giess ex Borman & Hardy
  • Aloe erinacea D.S.Hardy
  • Aloe excelsa A.Berger
  • Aloe ferox Mill.
  • Aloe forbesii Balf.f.
  • Aloe helenae Danguy
  • Aloe hereroensis Engl.
  • Aloe inermis Forssk.
  • Aloe inyangensis Christian
  • Aloe jawiyon S.J.Christie, D.P.Hannon & Oakman ex A.G.Mill.
  • Aloe jucunda Reynolds
  • Aloe khamiesensis Pillans
  • Aloe kilifiensis Christian
  • Aloe maculata All.
  • Aloe marlothii A.Berger
  • Aloe mubendiensis Christian
  • Aloe namibensis Giess
  • Aloe nyeriensis Christian & I.Verd.
  • Aloe pearsonii Schönland
  • Aloe peglerae Schönland
  • Aloe perfoliata L.
  • Aloe perryi Baker
  • Aloe petricola Pole-Evans
  • Aloe polyphylla Pillans
  • Aloe rauhii Reynolds
  • Aloe reynoldsii Letty
  • Aloe scobinifolia Reynolds & Bally
  • Aloe sinkatana Reynolds
  • Aloe squarrosa Baker ex Balf.f.
  • Aloe striata Haw.
  • Aloe succotrina Lam.
  • Aloe suzannae Decary
  • Aloe thraskii Baker
  • Aloe vera (L.) Burm.f.
  • Aloe viridiflora Reynolds
  • Aloe wildii (Reynolds) Reynolds

Karazana misy eto Madagasikara

[hanova | hanova ny fango]
Aloe macroclada

I Madagasikara dia iray amin' ny ivon-toerana lehibe indrindra amin' ny fipariahan' ny karazana Aloe. Manodidina ny 130 ka hatramin' ny 140 eo ho eo ny karazana Aloe malagasy, araka ny tombantombana sy ny fanasokajiana farany indrindra. Indreto misy karazana notsongaina:

  • Aloe acutissima: kisahondra
  • Aloe albiflora
  • Aloe ambositrae
  • Aloe ambrensis
  • Aloe ampefyana
  • Aloe analavelonensis
  • Aloe andringitrensis
  • Aloe anivoranoensis
  • Aloe ankaranensis
  • Aloe antandroi: tsikivahombaho
  • Aloe antonii
  • Aloe antsingyensis
  • Aloe argyrostachys
  • Aloe arneodoi
  • Aloe aurelienii
  • Aloe belitsakensis
  • Aloe bellatula
  • Aloe betsileensis: kisahondra
  • Aloe capitata: kisahondra, sahondra
  • Aloe castilloniae
  • Aloe compressa
  • Aloe darainensis
  • Aloe decaryi
  • Aloe decorsei
  • Aloe deinacantha
  • Aloe delicatifolia
  • Aloe delphinensis
  • Aloe deltoideodonta: kisahondra, vahombato, vahongarana
  • Aloe descoingsii
  • Aloe divaricata: sahondra, vahomafaitra, vahona, vahondranjo, vahontsohy, vahotsohy, vahontsoy, zilazira
  • Aloe droseroides
  • Aloe haworthioides var. aurantiaca: sarivahona
  • Aloe helenae
  • Aloe macroclada: kisaondra, lahim-bahona, vahombe, vahona
  • Aloe megalocarpa
  • Aloe rakotonasoloi
  • Aloe rapanarivoi
  • Aloe rauhii
  • Aloe rebmannii
  • Aloe richaudii
  • Aloe rodolphei
  • Aloe roeoeslii
  • Aloe rosea
  • Aloe rugosquamosa
  • Aloe suarezensis
  • Aloe suzannae: vahona, vahondrano
  • Aloe vahontsohy: vahona
  • Aloe vaombe: vahombe, vahombey, vahona
  • Aloe vaotsanda: vahona, vahotsanda
  • Aloe vaotsohy
  • Aloe vatovavensis
  • Aloe zombitseensis

Fampiasana

[hanova | hanova ny fango]

Fampiasan' ny Malagasy ny vahona

[hanova | hanova ny fango]
Aloe vaombe

Antsoina hoe sahondra ny vondrom-bonin' ny vahona any amin' ny Merina. Any amin' ny Betsileo dia natokana indrindra ho an' ilay karazana atao hoe Aloe macroclada ny anarana hoe "vahona", fa ny karazana kely maniry eny amin' ny vatolampy dia antsoina hoe "kisahondra". Nampiasaina hatramin' ny Andro Taloha ny Aloe officinalis, izay avy ao Afrika amin' ny ankapobeny; mba hahazoana ny ranony madity miloko manja dia potehina ny raviny izay be nofony ary aetona. Anisan' ny vondrona antrakinôna ny singa fanao fanafody amin' izany. Tany Imerina dia ny Aloe macroclada no nampiasaina.

Hita any amn' ny tapany atsimon' ny Nosy ny Aloe vaombe sy ny Aloe vahontsohy. Manome ranony manitra mahafinaritra ny Aloe divaricata. Karazana roa fanao fanafody any atsimo izay lasa tsy fahita firy ny Aloe vaotsanda sy ny Aloe suzannae. I Madagasikara dia afaka mamokatra Aloe officinalis betsaka, izay fantatra fa ampiasaina ho fanafody manamora ny fandefasana ny ranon' afero any amin' ny tsinay sy manafaingana ny fiasan' ny tsinay ka iadiana amin' ny fitohanana sy fanadiovana ny tsinay.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]