Alismatales

Ny Alismatales dia filaharan-javamaniry mamony tokan-dravin-tsimoka izay ahitana karazana miisa 4 500 mitsinjara amin' ny vondron-karazana 165, matetika hita eny an-dranomasina na eny amin' ny ranomamy na eny amin' ny faritra mando. Heverina ho "karazana injeniera" eny amin' ny faritra mando ny karazana sasany. Ity filaharana ity dia ahitana fianakavian-javamaniry telo (araka ny fanasokajiana klasika) hatramin' ny 13 (araka ny fanasokajiana filôjenetika). Anisan' ity filaharana ity ny saonjo (Colocasia esculenta). Filaharana manakaiky dia manakaiky azy ny Acorales.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]Mamondrona zavamaniry mamony sady ahitra izay matetika maniry anaty rano sy amin' ny honahona ny filaharana Alismatales, ary izy ireo no hany zavamaniry tokan-dravin-tsimoka fantatra fa manana tsimoka (zanany) maitso, ankoatra ny Amaryllidaceae. Anisan' izy ireo ihany koa ny hany Angiospermae an-dranomasina maniry anaty rano tanteraka, dia ny ahi-dranomasina (anglisy: seagrasses; frantsay: herbiers marins). Matetika ny voniny dia milahatra ao anaty vondrombony, ary ny vihim-boany masaka dia tsy manana endôsperma (tambatsela mitahiry otrikaina).
Na ny an-dranomasina na ny an-dranomamy dia ahitana ireo izay manana vony lahy izay misaraka amin' ny zavamaniry nipoirany mba hitsinkafona eny ambonin' ny rano. Afaka mandonaka vony vavy mitsinkafona eny ambonin' ny rano ihany koa amin' ny alalan' ny tangozany lava izy ireo eny. Amin' ny karazany hafa dia mitranga ao anaty rano, izay mety hamoron' ny vovobony kofehy lava, mampitombo ny fahafahana hahomby, ny fandonahana. Maniry anaty rano tanteraka ny mbola tanora amin' ny ankamaroan' ny karazana an-drano, ary mitsinkafona na mipoitra ambonin' ny rano ny voniny. Mety ho anaty rano tanteraka, manana ravina mitsinkafona, na mipoitra avy ao anaty rano ny tamba-javamaniry foronin' izy ireo.
Lisitry ny fianakaviana
[hanova | hanova ny fango]Araka ny fanasokajiana klasika
[hanova | hanova ny fango]Araka ny fanasokajiana klasika n' i Cronquist (1981) dia misy fianakaviana telo ny filaharana Alismatales izay ao anatin' ny zana-kilasy Alismatidae sy ny kilasy Liliopsida:
Ao amin' ny fanasokajian' i Dahlgren, ny Alismatales dia tafiditra ao anatin' ny renifilaharana Alismatanae, ao amin' ny zana-kilasy Liliidae sy ny kilasy Magnoliopsida, ka ahitana ireto fianakaviana manaraka ireto:
Araka ny araka ny fanasokajiana filôjenetika
[hanova | hanova ny fango]Araka ny araka ny fanasokajiana filôjenetika (APG II sy APG III) dia fianakaviana 13 ny ao amin' ny filaharana Alismatales:
- Alismataceae (anisany ny Limnocharitaceae)
- Aponogetonaceae
- Araceae
- Butomaceae
- Cymodoceaceae
- Hydrocharitaceae
- Juncaginaceae
- Posidoniaceae
- Potamogetonaceae
- Ruppiaceae
- Scheuchzeriaceae
- Tofieldiaceae
- Zosteraceae
Araka ny fanasokajiana APG IV (2016) dia misy fianakaviana 14 ny filaharana Alismatales:
Fianakaviana misy eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Indreto ny fianakaviana ao amin' ny filaharana Alismatales izay misy eto Madagasikara: