Hankany amin'ny vontoatiny

Algônkiana (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Sarin-tany maneho ny faritra itenenana algônkiana

Ny Algônkiana dia vahoaka amerindiana nonina any Amerika Avaratra nandritra ny 12 000 taona fara fahakeliny, taorian' ny tapany farany amin' ny Vanim-potoan' ny Ranomandry sy talohan' ny fotoana naha lany tamingana ny mamota (karazana elefanta lehibe, Mammuthus primigenius).

Ny faritra nonenan' ny Algônkiana ara-tantara dia nidadasika, nanomboka any amin' ny tendrombohitra Rocky Mountains any atsinanana ka hatrany amin' ny Ranomasimbe Atlantika ary mandrakotra ny faritany rehetra any Kanada ankehitriny (afa-tsy i Kôlômbia Britanika) ary fanjakana amerikana mihoatra ny folo. Amin' ny vahoaka amerindiana rehetra, ny Algônkiana no manana ny fizaran-tany lehibe indrindra any Amerika Avaratra. Ny Algônkiana dia avy amin' ny vahoaka izay samy mampiasa fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny lehibe iray, mizara ho firenena teratany zato eo ho eo, ary mizara ho tarika sy fianakaviana madinika maro.

Tanàna algônkiana (Pomeioc) any North Carolina, taona 1885.

Nilaza i Denys Delâge, mpahay tantara, fa 3 000 000 teo ho eo ny Amerindiana tany Amerika Avaratra tamin’ ny fiandohan' ny taonjato faha-16. Amin' io isa io dia olona efa ho 1 000 000 no nipetraka tany Kanada ankehitriny, ary an-jatony maro tamin’ ireo no azo inoana fa anisan’ ny fianakaviambe algônkiana.