Aleurites moluccanus

Ny Aleurites moluccanus dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Euphorbiaceae. Hazo teratany any amin' ny faritra indô-maleziana trôpikaly izy io ary nampidirina tany amin' ny nosin' i Pasifika an' arivony taona maro lasa izay.
Indreto koa ny anarana hafa ahafantarana azy io:
- Aleurites angustifolia Vieill.
- Aleurites integrifolia Vieill.
- Aleurites javanica Gand.
- Aleurites pentaphylla Wall.
- Aleurites remyi Sherff
- Aleurites triloba J.R.Forst. & G.Forst.

Amin' ny teny malagasy izy io dia atao hoe mofotra, savoga, savokara, tanantanana ary tanatanana. Tato anatin' ny taonjato faramparany dia nambolena tany amin' ny tany trôpikaly maro izay nanjary ilay zavamaniry. Ny Aleurites moluccanus no hazo oôfisialin' i Hawaii.

Ny voan' ny Aleurites moluccanus voatoto dia ampiasaina ho fanatsarana tsiron-tsakafo any Indônezia sy any Malezia ary any Hawaii. Ny menaka azo avy amin' io zavama iry io dia ampiasaina amin' ny kôsmetika. Ao amin' ny faritra misy azy, ny taova rehetra amin' ilay zavamaniry (raviny, vihim-boany, voniny, ary hodiny) dia nampiasaina amin' ny fitsaboana nentim-paharazana.