Aleurites

Ny Aleurite dia vondron-karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Euphorbiaceae, ao amin' ny filaharana Malpighiales. Hazo teratany any amin' ny faritra mafana any Azia sy Amerika Atsimo ny karazana ao aminy. Zavamaniry mônôika sy maitso ravina lalandava izy ireo. Hazo lehibe izy ireo/ Mirefy 15–40 m ny haavony, mivelatra sy mijoro ny rantsany. Voasokajy ao amin' ny vondron-karazana ny Croton, Mallotus, Omphalea, Reutealis ary Vernicia ankehitriny ny karazana sinoa sasany.
Mifandimby ny raviny izay misy sofintsofiny, mibikan' atody na toy ny lela lefona, misy felam-poto-dravina kely. Izy ireo dia misy volovolo amin' ny lafiny roa raha mbola tanora, avy eo lasa tsy misy an' izany.
Ahitana voniny madinika maro, fotsy manopy mavo, miendrika lakolosy ny vondrom-bony, izay misampana maro avy amin' ny fotony. Misy felam-boniny dimy na enina mifampiditra ny voniny iray. Lava sy manify kokoa noho ny an' ny vony vavy ny vony lahy, misy lahimbony 17–32 amin' andalana efatra. Manana fihary ambony ny voniny vavy.
Somary lehibe sady be nofony malemy ny voany, izay misy hodiny ivelany be nofo sy hodiny anatiny manify sy toa nodo-kazo. Miovaova ny haben' izy ireo. Misy menaka sady misy poizina ny vihim-boany.
Nampiasaina ho parafinina, menaka fandamana, na ho akora amin' ny varinesy, amin' ny loko, ary amin' ny savony ny menaka azo avy aminy. Nampiasaina ho menaka fandrahoan-tsakafo koa izy io, aorian' ny fanesorana ny akora misy poizina.
Lisitry ny karazana
[hanova | hanova ny fango]Amin' izao fotoana izao, maro ny bôtanista tsy mahafantatra afa-tsy karazany roa:
- Aleurites moluccanus (L.) Willd. na Aleurites trilobus
- Aleurites rockinghamensis (Baill.) P.I.Forst.
Karazana nafindra any amin' ny vondrona hafa
[hanova | hanova ny fango]Betsaka ny karazana tao aminy teo aloha no nafindra ao amin' ny vondron-karazana toa ny Croton, Mallotus, Omphalea, Reutealis ary Vernicia:
- Croton
- Aleurites laccifer → Croton laccifer
- Mallotus
- Aleurites peltatus → Mallotus peltatus
- Omphalea
- Aleurites erratica O.Deg., I.Deg. & K.Hummel → Omphalea papuana Pax & K.Hoffm.
- Reutealis
- Aleurites saponaria Blanco → Reutealis trisperma (Blanco) Airy Shaw
- Aleurites trispermus → Reutealis trisperma
- Vernicia
- Aleurites vernicifluus, Aleurites japonica, Aleurites cordata (Thunb.) R.Br. ex Steud. → Vernicia cordata (Thunb.) Airy Shaw
- Aleurites fordii Hemsl. → Vernicia fordii (Hemsl.) Airy Shaw
- Aleurites vernicius sy Aleurites montana (Lour.) E.H.Wilson → Vernicia montana Lour.
Karazana misy eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Ny karazana Aleurites misy eto Madagasikara dia ireto:
- Aleurites moluccanus -- bakoly, harakasaka, mofotra, savoga, savokara, tanantanana, tanatanana
Ny karazana hafa dia anisan' ireo izay nafindra ao amin' ny Vernicia:
- Aleurites fordii → Vernicia fordii -- bakoly, bankoly, hazontsina, savoga
- Aleurites montana → Vernicia montana -- bakoly