Akondro (voany)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Akondro)

Ny akondro dia voankazo fihiinana be nofony sy mitahiry rano betsaka sady fihinam-boa.

Famokarana sy fivarotana akondro[hanova | hanova ny fango]

Maro ny firenena mamokatra akondro maneran-tany nefa ireo firenena ao Amerika Afovoany no mpanondrana azy betsaka. I Japana no firenena mpanafatra akondro betsaka indrindra nanomboka tamin’ ireo taona 1960. Ao Eorôpa no misy ny tsenan’ akondro iraisam-pirenena lehibe indrindra. I Etazonia anefa no tsenam-pirenena lehibe indrindra. Nisy vokatr’ izany ny fifanolanana teo amin’ ny Amerikana sy ny Eorôpeana momba ny raharaham-barotra akondro tamin’ ireo taona 1990. Mba hiarovana ny famokarana akondro any amin’ ireo firenena mifamatotra amin’ny alalan’ny Conventions de Lomé (Antilia frantsay, Kanaria espaniôla, ireo firenena ao Afrika sy Karaiba ary Pasifika) dia nanangana lamina hamerana ny fidiran’ ny akondro avy any Amerika Latina ny Vondrona Eorôpeana. Izany fifanolanana izany dia nahatonga ny fidirana an-tsehatr’ i Etazonia mba hiarovany ny tsenan’ ireo firenena mifampiraharaha aminy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]