Akofa
Fiseho

Ny akofa dia akoran-javamaniry mafy sy maina ifonosan' ny nofom-boa toa ny an' ny vary na ny an' ny voamadinika hafa sasany. Ny fanasarahana dia atao mandritra ny famoloana ny voamadinika toy ny karazana varimbazaha Triticum aestivum subsp. aestivum na ny Secale cereale. Ho an' ny voamadinika hafa, toy ny vary (Oryza) na ny varim-tsoavaly (Avena sativa) na ny Triticum turgidum, dia ilaina ny manala ny akofa amin' ny alalan' ny fitotoana ny voa.
Tsy levon' ny vavonin' ny olombelona ny akofa, fa azo omena ho sakafon' ny biby fiompy, azo ampiasaina amin' ny fanorenana (hanasarahana ny hafanana sy ny hatsiaka), atao zezika na atao fandrehitra. Raha tsy izany dia alevina na dorana. Tsy mitovy ny ampombo sy ny akofa.