Aller au contenu

Akasià (ao amin' ny Baiboly)

Avy amin'i Wikipedia
"Akasià"

Ny akasià ao amin' ny Baiboly hebreo dia atao amin' ny teny hebreo hoe שִׁטָּה / shittah (na שִׁטִּים /shittim raha maro). Izy io dia hazo ao amin' ny vondron-karazan Vachellia sy Faidherbia (samy voasokajy taloha tao amin' ny Acacia). Hita maniry maniry any amin' ny Efitr' i Sinay sy ny Lohasahan' i Jordana ny Faidherbia albida, Vachellia seyal, Vachellia tortilis, ary Vachellia gerrardii.

Firesahana azy ao amin' ny Baiboly

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny fivoahan' ny Zanak' i Israely avy any Egipta, ny Israelita dia nasaina nampiasa "hazo akasià" mba hanamboarana ny faritra samihafa amin’ ny Tabernakely (Eksôdôsy 26) sy ny Fiaran' ny Fanekena (na Fiaran' ny Vavolombelona). Mety ho Vachellia seyal na Vachellia tortilis izany.

Man eho ny seneh, na senna, tao amin' ny roimemy mirehitra, ny akasia dia (Vachellia nilotica), izay atao amin' ny anarana hoe sunt. Misy endrika hafa kelin' ity hazo ity, izay atao amin' ny anarana hoe seyal, dia ny shittah fahiny, na, araka ny mahazatra kokoa amin' ny endrika maro, ny shittim, izay nanamboarana ny Tabernakely.

Ahitana firesakana momba ny "hazo akasia" ny ao amin' ny Eksôdôsy (ohatra: toko 25, 26, 27, 37).

Ary manaova latabatra hazo akasia: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony (Eksôdôsy 25:23, Ny Baiboly).

Ary ahantòny amin’ ny andry hazo akasia efatra izay voapateka takela-bolamena izy; ho volamena koa ny fihantonany; ary eo amin’ ny faladia volafotsy efatra no hiorenany. Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin’ ny farango; ary ampidiro ao anatin’ ny efitra lamba ny fiaran' ny Vavolombelona (Eksôdôsy 26:32, Ny Baiboly)

Ary manaova andry hazo akasia dimy ho amin’ ny varavarana lamba, ka peta­ho takela-bolamena; ary ho volamena koa ny fihantonany; ary mandrendreha faladia varahina dimy hiorenany. (Eksôdôsy 26:37, Ny Baiboly)

Ary manaova ny alitara amin’ ny hazo akasia: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony. (Eksôdôsy 27:1, Ny Baiboly)

Ahitana firesakana momba ny "hazo akasia" ny ao amin' ny Bokin' i Isaia (ohatra toko 41).

19 Hampaniry hazo sedera sy akasia sy rotra ary oliva any an-efitra Aho ary kypreso sy pina sy bokso eny an-tani-hay, 20 Mba ho hitany sy ho fantany sy hoheveriny ary ho azony an-tsaina fa ny tànan' i Jehovah no nanao izany, ary ny Iray Masin' ny Isiraely no nahary izany. (Isaia 41:19-20, Ny Baiboly)

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]